FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

Ny fahatapahan’ny fifanekena momba ny asa.

Ireto avy ny antony mahatapaka ny fifanarahana momba ny asa :

  1. Ny fahafatesan’ny mpiasa,
  2. Fandroahana avy amin’ny mpampiasa,
  3. Fametraham-pialana avy amin’ny mpiasa,
  4. Fifanarahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany,
  5. Tranga tsy azo anoharana (cas de force majeure) izay apetraka amin’ny fitsarana mahefa ny fandinihana azy

NY AMIN’NY FIFANEKENA VOAFE-POTOANA.

Tsy azo tapahina alohan’ny fiafaram-potoana nifanarahana nohon’ny sitrapon’ny andaniny na ny ankilany ny fifanekena voafe-potoana.

Ireo tranga ahazoana manapaka ny fifanekena voafe-potoana :

  1. Raha toa ka voafaritry ny fifanekena,
  2. Noho ny hadisoana bevava voafaritry ny fitsipika anaty, na raha toa ka tsy misy fitsipika anaty dia apetraka amin’ny fandinihan’ny fitsarana mahefa.

NY AMIN’NY FIFANEKENA TSY VOAFE-POTOANA.

Ny andaniny na ny ankilany nanapaka ny fifanekena, ankoatry ny hadisoana bevava, ka tsy nanao fampiomanana mialoha na nahatanteraka manontolo ny fe-potoana ny fampiomanana mialoha, dia tompon’andraikitra amin’ny fandoavana tambiny mitovy habe amin’ny karama sy ny fanampin-karama samihafa izay tokony ho naloa tamin’ny mpiasa mandritra ny fe-potoana.

Andraikitra tsy maintsy ataon’ny  mpampiasa mandritra ny fampiomanana mialoha :

Tsy ara-dalàna ny fandroahana amin’ireto tranga manaraka ireto :

Ny mpitsara no mandinika ny maha ara-dalàna na tsia ny fandroahana.

Vokatry ny fanapahana tsy ara-dalàna ny fifanekena momba ny asa :

Ny tsy maintsy ataon’ ireo izay mandray ny fanapahan-kevitra hanapaka ny fifanekena momban ny asa :

Ireo fepetra ny momban’ny fanapahana ny fifanekena momba ny asa :

Ny tokony hataon’ny mpampiasa raha mihevitra ny handroaka mpiasa :

Ireto avy ny zon’ny mpiasa nahazo fampandrenesana an-taratasy voakasiky ny fandroahana :

Tsy maintsy omen’ny mpampiasa avy hatrany amin’ny vanin’andro ahatapan’ny fifanekena :

Ny tokony hataon’ny mpiasa raha mametra-pialana izy :

Ny fahatapahan’ny fifanekena momba ny asa noho ny sotasota ara-nofo  na ara-tsaina :

Ny fahatapahan’ny fifanekena noho ireo antony ireo dia mitarika fahazoan’ny olona tra-pahavoazana onitra,  izay feran’ny fitsarana mahefa, raha toa ka  voaporofo amin’ny fomba rehetra ny nisian’ilay fihetsika avy amin’ny andaniny nanao ny fahadisoana.

Ireto avy ny famaritana ny fandroahana ara-toekarena :

Ireto avy ny paika tsy maintsy arahin’ny mpampiasa raha mihevitra ny handroaka mpiasa  noho ny antony ara-toekarena izy:

Manome ny valiny sy ny heviny momba ny fepetra horaisina amin’ny mpampiasa ny komitin’orinasa na ny solotenan’ny mpiasa, ao anatin’ny roapolo andro (20) aorian’ny fivoriana.

–    Ny fitanana an-tsoratra izay mirakitra ny hevitry ny komitin’ny orinasa  na ny solontenan’ny mpiasa,

–      Ny listry ny mpiasa voakasiky ny fampihenana sy ny taratasy rehetra mety hilaina momba izany.

Ireto avy ireo fepetra tsy maintsy ataon’ny mpampiasa :

Raha tsy mifanaraka ny roa tonta ny amin’ny lisitra, dia ny mpiadidy ny asa no manapaka ao anatin’ny (15) dimy ambin’ny folo andro aorian’ny fametraham-pitarainana, araka ireo filaharana ireo.

Ny tsy famalian’ny mpiadidy ny asa ao anatin’io fe-potoana io dia midika avy hatrany ho fanekena ny lisitra.

Ny momban’ny fanovana mavesa-danja ny fifanekena isam-batan’olona:

Ny fahasahiranana ara-toe-karena sy ny fiovan’ny teknolojia dia mety hiteraka ny fandroahana na fanovan-toerana ny mpiasa.

Tsy maintsy manaraka ny paikan’ny fandroahana noho ny antony ara-toekarena voalaza etsy ambony ny mpampiasa amin’izany.

Ireto avy ny paika tsy maintsy arahina raha misy fanovàna tiana atao :

Ireto avy ny zon’ny mpiasa voaroaka:

Fikajiana io tambiny io :

Kajiana avy amin’ny karama farany miaraka amin’ny tombontsoa sy ny fanampin-karama rehetra azon’ny mpiasa tamin’ny fandroahana. Tsy hafangaro amin’ny tambin’ny fampiomanana mialoha, ny tambim-pialan-tsasatra ary koa ny onitra noho ny fandroahana tsy ara-drariny.

Ny tokony hataon’ny mpampiasa amin’ny fotoana anapahany ny fifanekena momba ny asa :

Ny tsy fanarahana io fepetra io dia mitarika fandoavana onitra.

Ny tsy fanarahana io fepetra io dia mety handoavana onitra.