FEHI-KEVITRY NY KONGRESY FAHA-10 FI.SE.MA.

Classé dans : FITENY MALAGASY, SYNDICALISME | 0

IZAHAY, solontenan’ny mpiasa sy solontenan’ireo Sampam-Pitondran’ny FI.SE.MA isan’ambaratonga sy avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, ary koa avy amin’ireo sampam-pamokarana isan-karazany, izay tonga nandray anjara tamin’izao Kongresy faha-10  ny FI.SE.MA. izay natao teto Antananarivo ny 18-19 Jona 2019,

-Rehefa nandinika sy namakafaka ny raharaham-pirenena, indrindra eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ny fiainam-bahoaka, ary ny fiantraikan’ny fanatontoloana (mondialisation) sy ny fivoaran’ny teknolojia eo amin’ny fiainam-pirenena;

-Rehefa nandinika koa ny mikasika manokana ny tontolon’ny Asa sy ny fampananan`asa ary ny Sendikalisma eto Madagasikara amin’ny ankapobeny sy ny FI.SE.MA. manokana, DIA MAHATSAPA FA:

Tsy mbola misy mangirana mihitsy ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka tato tanatin’ny folo taona farany ary mitombo hatrany ireo Malagasy mandry tsy lavo loha  noho ny fahantrana, ny tsy fisian’asa, ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fandrobam-pananana – eny fa na hatramin’ny tany sy fasan-drazana aza. Manamafy izany ireo tarehimarika avoakan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena isan-tsokajiny: Ohatra raisina amin’izany:

  • Ny tahan’ny fahantrana ankapobeny dia mahatratra 71,5%, ary ny 93% ny mponinadia mandray latsaky ny 2dolara isan’andro, 
  • Ny tsy fanjarian-tsafako: Malagasy 4 amin’ny 10 dia tsy ampy sakafo ary maneran-tany dia anisan’ny farany isika amin’ny filaharana 116/119 nanaovana fanadihadiana;
  • Antsasaky ny zaza latsaky ny 5 taona , dia misy fahatarana eo amin’ny fitomboana ara-batana sy ara-tsaina,
  • Ny tahan’ny ankizy mandao ny sekoly sy ny tsy mahavita fianarana:  41%  miala alohan’ny taona faha-5, 17% an’ireo manohy tsy mahatody hatramin’ny kilasy famaranana; 
  • Ny tahan’ny zaza maty eo am-piterahana : 42/1000
  • Ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana: 478/100 000
  • 350 000 amin`ny 10 000 000 no manana asa ara-dalana amin`ny Tanora 15-35 tokony hiasa,

Ambony dia ambony ireo taha ireo mihoatra amin’ny firenena hafa, ary manamarika izany fa tena lalina dia lalina tokoa ny fahantrana mianjady. Tena ireo hoavin’ny firenena sy ny taranaka no tena tandindomin-doza, ankehitriny.

Amin’ny ankapobeny, tsy mahavita mitsabo tena, mampiana-janaka, mana-trano ipetrahana sy misakafo araka ny tokony ho izy intsony ny 90%  Malagasy, ary tena mampanahy ny hoavin’ny Firenena satria dia tena ratsy fototra iorenana izany hoavin’ny Firenena izany. Etsy andaniny anefa, ny ankamaroan’ireo  sampan-draharaham-panjakana, toy ny fitsaboana, ny fampianarana, ny fitsarana, ny fananan-tany, ny hetra,…. izay tokony hiantoka ny fanomezana ireny zo fototra maha-olona ireny dia anjakan’ny fanaovana kolikoly sy ny risoriso.

Eo amin’ny lafiny fihariana, mbola sarotra ny fampiasam-bola sy ny raharaham-pihariana eto Madagasikara, araka  ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, sy ny Sampan-draharaha frantsay momba ny fifanakalozam-barotra ivelany (COFACE) : Ny rafi-pitsarana dia tsy mahaantokoa araka ny tokony ho izy ny fampiasam-bola, tsy lavorary ny famatsiana herin’aratra sy ny foto-drafitrasa  isan-karazany toy ny  lalana, seranan-tsambo, …. ahafahana mamokatra sy  mamoaka ny vokatra.  Mbola manahirana ihany koa  ny lalana momba ny fampiasana sy fananan-tany. Ireo  anefa dia  anisan’ny sakana lehibe tsy ahafahana mamorona asa, mampakatra ny taha-pamokarana sy mampiditra ny seha-pihariana  maro  ao anatin’ny sehatra manara-penitra, ka ahafahana mampitombo ny fampidiran-ketra;  izany hoe raha adika tsotra dia sakana lehibe ho an’ny Fampandrosoana amin’ny lafiny maro.

Mbola mila ezaka be ihany koa ny fanatsarana  ny fitantana ny raharaham-pirenena sy ny raharaham-pitondrana,  na dia napetraka aza  ireo lamina sy rafitra maro samihafa noheverina hanatsarana izany: ao Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité (misahana momba ny toe-tsaina sy ny toe-panahy enti-manao ny asam-pajakana) , ny Birao Mahaleo tena miady amin’ny Kolikoly, ny Fanavaozana ny Asam-panjakana, ny R.S.S.(na fanavaozana ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriam-pahalemana) . Ny tatitra nataon’ny Transparency International  izay manambara ny laharan’ny Madagasikara maneran-tany tamin’ny taona 2018, faha-152 isika Malagasy amin’ny Firenena 180, no manpahafantatra fa rakotry ny kolikoly ny raharaham-pitondrana. Ny zava-misy hita sy ren’ny rehetra tamin’ny haino aman-jery, ho porofon’izany dia ireo kolikoly avo lenta eny amin’ny Biraom-panjakana, sy ireo Andri-mpanjakana toy ny Antenimiera, ny Filan-kevitry ny Tanana, ny herisetra sy ny tsy fandriam-pahalemanana amin’ny endriny maro; ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko sy tsy ara-dalana  ireo harem-pirenena: andramena, volamena sy vatosoa; olona, sokatra sy biby isan-karazany…  

Ny tsy fahatokisan’ny mpanjifa sy ny olom-pirenena ny Fitsarana koa dia miteraka fitsaram-bahoaka, izay azo lazaina fa efa fihoarana tanteraka amin’ny atao hoe TANY TAN-DALANA.

Ireo voatanisa ireo dia efa ampy hilazana fa  mivava  ary an-dalam-pirodanana tanteraka ny fiaraha-monina sy ny Firenena Malagasy.  Very ilay hasin’ny fihavanana sy ny firaisan-kina  izay nampalaza ny Malagasy; tsy manan-danja eo amin’ny mpiara-monina intsony, indrindra eo amin’ny tanora sy ny ankizy, ny fanajana  ny teny,  ny fomba amam-pahendrena  ary ny kolon-tsaina izay anisan’ny maha-Firenena ny Firenena eo  imason’izao tontolo izao. 

Difotry ny fivoaran’ny  fanantontoloana sy teknolojia vaovao avo lenta ny votoatin’ny fanabeazana ny maha-olona sy ny fitaizana ny sain’ny tanora, hany ka dia  adinony tsikelikely sy voafafa  miandalana  ny maha-izy azy ny Malagasy sy ny fidirany tsikelikely ao amin’ny vovon’ny mpanjanan-tsaina vaovao. 

Ankehitriny, dia voasokajy ho anisan’ireo “FIRENENA MAREFO” (Etat fragile) i Madagasikara. Izany hoe: FIRENENA TSY AFAKA MIANTOKA INTSONY NY FANOMEZANA SY FIANTOHANA IREO ZO FOTOTRA HO AN’NY MPONINA AO AMINY : ny zo amin’ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany, ny zo ahazo fitsaboana,  fanabeazana, trano fonenana araka ny tokony ho izy, ny zo hisakafo ara-dalana, ny zo hisitraka ny harena  sy hifehy  ny toe-kareny, ho an’ny mpiasa, ny ahazo karama mahavelona ny ankohonana, fiofanana, sns, sns. eny hatramin’ny zo hisitraka sy ho masi-mandidy ny harena voa-janahary ao amin’ny taniny.   

Raha tsy tonga saina, sy mailo ary mitandrina dieny izao ny Mpitondra isan’ambaratonga sy ny olom-pirenena dia mety ho lasa faritra arovana toy ny valan-javaboahary sisa ny Malagasy, toa ireo mponina  karana mena hoditra any Amerika. 

Koa amin’ny maha-herivelon’ny Firenena ny Mpiasa sy ny sendikany, sy manoloana ireo adidy aman’andraikitra aterak’izany, ary indrindra indrindra ho fanohizana ny tolom-panafahana sy famerenana ny tena fahaleovantena sy ny fiandrianam-pirenena marina, nimatimatesany sy notakian’ireo mpiasa tany amin’ny vanin’andron’ny fanjanahantany:

izahay mpizaika amin’ny Kongresy faha-10`ny FISEMA,

DIA MANAO IZAO FEHIN-KEVITRA IZAO:

MOMBA NY FIAINAM-PIRENENA ANKAPOBENY:

  1. Laharam-pahamehana ny fanamafisana na ny fanorenana ifotony mihitsy ireo fototra iorenan’ny fiaraha-monina Malagasy: ny toe-tsaina sy ny toe-panahy maha-Malagasy, ny soatoavina sy ireo fomba amam-pahendrena Malagasy, ny rafi-piaraha-monina miorina amin’ny fokonolona, izay sady vakoka no sehatra sy fitaovana ivelaran’ny demokrasia, ary ny fandrindrana izany amin’ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny teknolojia;
  1. Tsy azo lavina fa misy fiantraikany tsara ny fanatontoloana sy ny teknolojia vaovao avo lenta, toy ny fanamorana ny fifandraisana, sy ny fahalalam-baovao, ka ahafahana manovo fahalalana sy traikefa maro, kanefa koa dia tsy azo odian-tsy hita – ary mila fanefitra mahomby – ny voka-dratsiny indrindra eo amin’ny fanabeazana ny zaza sy ny tanora izay manjary tsy mahafehy tena intsony sy manao zavatra mamoafady. Tandindomin-doza anefa ny fampananan’asa noho ny firoboroboan’izany teknolojia avo lenta (Automatisation-Robotisation) izany.
  1. Mila omen-danja manokana ny TENY sy ny KOLOTSAINA MALAGASY – izay isan’ny singa mandrafitra ny fiandrianam-pirenena – eo amin’ny raharaham-pitondrana sy ny raharaham-pirenena, indrindra amin’ny fanabeazana sy fampianarana. Zava-poana ihany ny filazana ho manome hasina ny firenena kanefa tsy manaja ny teny sy ny fahendrena Malagasy.  Ireo firenena manana ny maha-izy azy ankehitriny dia nametraka ny teniny sy ny fombany ho lohalarahana teo amin’ny fanabeazana ny olom-pireneny.
  1. Mila mahay mihaino sy mampandray andraikitra ny olom-pirenena amin’ny isan’ambaratonga rehetra sy amin’ny toerana misy ny tsirairay ny Fitondrana mba hanamafisana ny fifampitokisana sy hanomezan-danja ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny ary tsy mitanila, izay mety hiteraka lonilony sy fifankahalana eo amin’ny samy Malagasy. Anjaran’ireo mpitondra ambony no manome ohatra tsara ho tahafin’ny vahoaka amin’izany.
  1.   Ny demokrasia sy ny fampandrosoana dia mifampiankina sy mifameno satria tsy misy fampandrosoana raha tsy misy demokrasia ary ny fampandrosoana dia enti-manatevina sy enti-manatsara ny demokrasia. Koa ny FI.SE.MA. dia tsy mitsahatra mitaky ny zo sy ny fahafahana maneho hevitra amim-pomba demokratika ary koa fametrahana ny FILAN-KEVITRA ARA-TOEKARENA SY SOSIALY ARY KOLTORALY, izay sehatra voalazan’ny Lalam-panorenana hanaovana ny fiaraha-midinika sy ny fifanakalozan-kevitra momba ny fampandrosoana ny Firenena amin’ny lafiny rehetra;
  1. Ny fahatsaram-pitantanana, ny fangaraharahan’ny fitantanana sy ny fahaiza-mitsitsy no isan’ny fanalahidin’ny fahombiazana ho an’ny Firenena marefo toa an’i Madagasikara. Koa manantitra sy mamporisika ny Fitondrana izahay mpizaika ny amin’ny tokony iezahany hatrany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ao anatin` ny mangarahara ny raharaham-pirenena, ary hitsitsy araka izay azo hatao ny volam-panjakana na izany avy amin’ny hetra na trosa. 
  1. Tokony ho fanta-bahoaka ireo karama sy tombon-tsoa raisin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry mitana toerana ambony mba ialan’ny ahiahy sy ny fanararaotana. 
  1.  Manainga ny Herivelona rehetra mba tena hifanome tanana ho fanavotana sy ho fanarenana ny Firenena ao anatin’ny firaisan-kina sy ny fifanohanana fa tsy hanao mpitari-bato vilam-bava, na koa hoe “ tsy miady tsy miady kanefa ny kibay an-kelika ihany”.    
MOMBA NY FIHARIAN-KARENA:
  1. Zon`ny olom-pirenena ny mihary, ny miasa sy ny manao fandraharahana ivelomana sy hanatsarany ny fiainany, ary koa hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana.  Adidin’ny fitondrana ny miaro sy manamafy ary manatsara izany zo izany; ary koa mandray ny fepetra rehetra mba hampanaram-penitra ny asam-pihariana ara-dalàna ataon’ny olom-pirenena.   
  1. Tsy azo iodivirana ny fiantsoana ireo mpampiasa vola avy any ivelany sy ny fanamorana ny fandraharahana mba ahafahana mamokatra bebe kokoa, sy mampitombo haingana ny harin-karem-pirenena ary mamorona asa betsaka araka izay azo atao. Tokony homena tosika bebe kokoa ireo Orinasa sy mpandraharaha Malagasy.
  1. Ny Fitondrana, ny orinasa sy ny olom-pirenena malagasy anefa dia tokony hiezaka hanana petra-bola na fandraisana anjara (prise de participation) amin’ny orinasa hatsangan’ireny vahiny ireny, indrindra amin’ireo sehatra iankinan’ny aim-pirenena, mba ahafahana manaramaso ny fampiasam-bola sy ny fandraharahana hataony sy misitraka izay Zo tokony ho azony.
  1. Mila hatevenina amin’ny alalan’ny fampiofanana mitohy arak`asa ny fahaiza-manaon`ny Mpiasa malagasy, amin’ny seha-pamokarana rehetra, ao anatin’izany ny fampiroboroboana ireo fahaizana mandraharaha an’ireo Tanora Malagasy.

MOMBA NY TONTOLON’NY ASA:

  1. Ny kongresin’ny FI.SE.MA. dia mankasitraka ny fandrafetana ny politikam-pirenena momba ny fampanan’asa sy ny fanofanana arak’asa (PNEFP) tamin’ny 2015; FMFP (Fond Malagasy de formation professionnelle).  Betsaka anefa ny lesoka sy ny tsy vita tamin’ny fanatanterahana azy io ny taona 2017-2019. Toa resaka ambonin’ny latabatra no betsaka fa raha ampitahaina amin’ny vokatra azo sy izay novinavinaina tany ampiandohana dia lehibe dia lehibe tokoa ny elanelana toy ny tsy fampiharana akory ny PPTD (Programme Pays pour le Travail Décent). Eo no mahatonga ny FI.SE.MA hiteny hoe “tsy kobaka am-bava fotsiny ve no betsaka amin’ity resaka fampanana asa ity, fa na ny antontan’isa na ny tatitra ataon’ny Fitondrana tsy misy ary poak’aty.”
  1. Ny kongresy dia mametra-panontaniana ny amin’ny tena anjara-toerana sy andraikitra raisin’ny Fitondrana amin’ ny fampanjariana ny Asa Mendrika. Toa filan-dera sy fisehosehoana etsy sy eroa no betsaka satria na ny dinika sosialy, na ny fampanajana ny zo sy ny fahalalana sendikaly, na ny fiahiana sy ny fiarovana ara-tsosialin’ny mpiasa dia tsy misy vokatra azo tsapain-tanana tato anatin’ny roapolo taona nanaovana fanentanana momba ity Asa Mendrika sy Mahavelona ity.  
  1. Mbola mibaribary ny tsy fahampian’ ireo mpanara-maso ny asa (inspecteurs du travail), satria dia maro ireo tatitra sy antontan’isa ary tahirin-kevitra tokony ho vokarin’izy ireo no tsy vita, sy tsy ara-potoana. Mbola misy amin’izy ireo koa no voavidy vola (corrompus) sy mitsikombakomba amin’ny mpampiasa, indrindra any amin’ny Faritra.  Ny kongresin’ny FI.SE.MA. dia mitaky hatrany ny hampitomboana ny isan’ireo mpanara-maso ny asa (inspecteurs du travail) sy fametrahana azy ireny ho isaky ny Distrika ary koa ny hanomezana azy ireo fitaovana ampy hamitany ny asany ao anaty fahalalahana sy fahaleovan-tena tena izy. Takianay koa fa mba hisian’ny mangarahara, ireo mpanara-maso ny asa (inspecteurs du travail) mitsidika orinasa dia tokony tsy hiresaka samirery amin’ny mpampiasa, fa tokony hiantso foana avy hatrany ny solontenan’ny mpiasa sy ny solontenan’ny sendika.
  1. Ho fanohizana sy hampaharitra ny fisafoana ny orinasa, dia ilaina hatsangana ny Komity Iombonan’ny Service de l’Inspection du Travail, Cnaps, ny Sampan-draharahan’Ivon-ketra, miampy ny Solontena Sendikaly avy amin’ny Fiaraha-midiniky ny Mpiasa eto Madagasikara ary ny Vondron’ny Mpampiasa hanao izany. Manao tatritra isan’enimbolana io Komity io amin’ny asa nataony.   
  1. Mbola mahery vaika ny fanembantsembana sy ny fanenjehana ny fanaovana ny asa sendikaly izay miafara amin’ny fandroahana tsy ara-drariny.  Koa ny Kongresy dia mitaky ny fampanajana ny zo sitrahan’ ireo mpitarika sendika sy solontenan’ny mpiasa noho ny fanatanterahany ny asa aman’andraikitra nankinina taminy.
  1. Ny Kongresy dia mahatsapa fa noho ny fitarazoan’ny fitsarana ny adin’asa, dia maro ny mpiasa no tsy afaka misitraka ny zony araka ny tokony ho izy. Mila fanafainganana sy fanatsarana ihany koa araka izany ny Fitsarana ny adin’asa.

MOMBA NY DINIKA SOSIALY:

  1. Ankasitrahan’ny Kongresy ny fifanakalozan-kevitra amim-panajana sy amin-kitsim-po eo amin’ny tontolon’ny asa amin’ny alalan’ny fananganana ny sehatra ifampidinihina isam-paritra sy nasionaly ary indrindra ny eny amin’ny toera-piasàna.
  1. Hatramin’izao anefa dia hita sy tsapa fa seho ivelany ihany izy ity ary tsy hatao amin-kitsim-po. Manerana ny Nosy, dia saika izay mahamaika ny Fitondrana sy izay tiany horesahina ihany no hatao. Tsy misy tanjona sy fandaharam-potoana mazava, hany ka toa zary fandaniam-potoana sy fandrebirebena no betsaka. Etsy andaniny, angady tsy mahatapak’ahitra izy ireo matetika, fa izay tian’ny Fitondrana atao ihany no ataony. Koa takianay ny hampiasana ny rafitra toy ny Filan-kevi-Pirenena momba ny Asa (Conseil National du Travail) amin’ny tokony ho izy sy ny hanamafisana ny fanaraha-penitra ao anatin’izany rafitra sy fomba fiasa izany.
  1. Koa mampahatsiahy ny Kongresin’ny FI.SE.MA. fa raha tiana ny hisian’ny fitoniana ara-tsosialy maharitra eo amin’ny tontolon’ny asa dia tokony hajaina sy tanterahina an-tsakany sy an-davany sy araka ny lalana izay rehetra lany sy tapaka tamin’ireny sehatry ny FARIMBOM-TELO (Tripartisme) ireny.
MOMBA NY KARAMA:
  1. Marihin’ny Kongresin’ny FI.SE.MA tsara fa na inona na inona miseho eto amin’izao tontolo izao noho ny fanatontoloana sy ny fifaninanana ara-barotra, dia tokony hatao foana izay hamerenana ny hery lanin’ny mpiasa iray teo amin’ny famokarana (reproduction de la force de travail). Mila apetraka mazava fa ny herim-batana sy ny fahaiza-manao ara-tsaina dia renivola mivantana (capital direct) lehibe, anjara biriky iray hoan`ny mpiasa amin`ny fampivoarana ny toeram-pamokarana iray. Ny fomba fanaramàna ankehitriny, sy ny karama farany ambany anefa, dia tsapa fa tsy mahavelona intsony ary tsy ahavitana ireo adidy fototra samihafa eo amin’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.

Ny kongresy dia mihevitra fa ilaina ny hanaovana fikaonan-doha manokana momba ny karama sy ny fahefa-mividy ary ny sokajin’asa (Classification professionnelle) ahafahana mamaritra miaraka ny « budget-type » sy ny karama mahavelona.

Tsy ekena ihany koa ny fanerena ny mpiasa hiditra Banky fa hajaina sy hamparina izay voalazan’ny lalàna mifehy ny Asa momba izany (And. : 62 ao amin’ny Code de travail). Koa ny Kongresy dia mitaky fa ny karama izay atao « virement bancaire » dia iandraiketan’ny mpampiasa ny fandoavana ny « frais bancaire » ary ao anatin’ny ora fiasàna no akàn’ny mpiasa ny karamany. Tsy ekena koa ny fandoavana karaman ‘ny mpiasa amin’ny seky raha lavitry ny banky ny orinasa.

Momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana, ny Kongresy dia mitaky ny fanatsarana ireo zo sosialin’ny mpiasa toy ny volan-jaza, ny fanampy amin’ny trano…. sy ny hamoahana maika ny grille indiciaire.

Toka-teny ny Fitondrana momba ny fampiakaran-karama amin’ny sehatra rehetra.

Ny Kongresy dia mitaky ny hisian’ny dinika ahafahana mifampiresaka ny hampihenana ny IRSA, ary koa mitaky ny hananganana komity mpanara-maso eny amin’ny toera-piasàna momba ny fikirakiràna ny karama.

MOMBA NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY:
  1. Ny kongresy dia mankasitraka ireo ezaka samihafa natao sy mbola hatao ho fanatsarana ny rafitra sy tolotra enti-mitsabo sy miahy ny mpiasa sy ny fianakaviany.  

Tsapa anefa fa tena mbola lavitry ny fetra manara-penitra iraisam-pirenena ny fisitrahan’ny olon-drehetra – indrindra fa ireo mpiasa tena mpamokatra any amin’ny sehatry fambolena – ny zo amin’ny fiahiana ara-tsosialy.

Koa mihevitra ny KONGRESY fa tokony mbola hanao bebe kokoa ny Fitondrana amin’ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra.  

Takian’ny KONGRESY, araka izany;

  • Ny hamoahana farany izay haingana ny Lalana Vaovao Mifehy ny Fiahiana ara-Tsosialy

(Nouveau Code de Prévoyance Sociale) efa niarahan’ny telo tonta namolavola sy nandrafitra,

  • Ny hitohizan’ny fitsaboana atao amin’ny Mpiasa na dia efa rmisotro ronono aza izy; ary tokony ho azon’ny vady navelan’ny mpiasa misotro ronono ny pension’ny vadiny.  Izany dia anisan’ny valim-babena hoan`ny Ray Aman-Dreny.
  • Raha tsy mahafeno taona ny mpiasa iray dia takianay ny famerenana ny latsakemboka manontolo ny mpampiasa sy ny mpiasa tao anatin’ny fotoana niasany. .
  • Ny fampiakarana ny taha ao amin’ny regime de retraite.
  • Ny hanaovan’i Madagasikara Sonia (Ratification) ny Convention Internationale momba ny chomage technique (Convention Internationale de l’OIT  C.118 article 2 – alinea H)

MOMBA NY FIARAHA-MIASA SENDIKALY:

  1. Ankehitriny dia misy ireo mpitarika sendika sasany manao sehatra fikaramana sy fitadiavam-bola ary voninahitra fotsiny ny tontolo sendikaly ka manao izay ahazoam-bola amin’ny fomba rehetra, tsy ijerena intsony ny foto-kevitra sy ny tombon-tsoan’ny maro an’isa. Koa mila mitandrina araka izany isika mpitarika FI.SE.MA isan’ambaratonga mba tsy ho voafitaka na ho tratry ny vela-pandrika.
  1. Ny Kongresy dia manambara am-pahibemaso ny fahavononan’ny FI.SE.MA handray ireo sendika te-hiara-dia aminy sy hifampidinika amin’ireo foibe sendikaly hafa te-hanambatra hery aminy, ny fomba sy ny lalana hahatongavana amin’izany.
  1. Toherin’ny Kongresy ireo tetika fandemena sy fampizarazarana ny fiaraha-miasa sendikaly amin’ny alalan’ny famindran-toerana na fandroahana mihitsy ny Solontenan’ny Mpiasa sy ny Filoha sendikaly; na izany any amin’ny sehatra tsy miankina na any amin’ny Fanjakana.
MOMBA NY FIARAHA-MIASA IRAISAM-PIRENENA SY FANDRIAM-PAHALEMANA ERAN-TANY.
  1. Ny KONGRESY dia miarahaba ny OIT amin’izao faha-100 taona nisiany sy niasany ho fanatsarana ny tontolon’ny asa izao, ary mankasitraka ireo zava-bitany hatreto indrindra ny ezaka amin’ny fampanan’asa mendrika sy mahavelona ary ny fikatsahana ny rariny sy ny hitsiny ara-tsosialy.
  1. Ny Kongresy ny FI.SE.MA dia mankasitraka sy manohana ireo asa sendikaly iraisam-pirenena ho enti-manatsara ny fiainan’ny mpiasa sy ny mponina ao anatin’izao fanatontoloana….. izao.  Mihevitra tokoa mantsy ny Kongresy fa tsy misy fandriampahalemana azo apetraka eto amin’izao tontolo izao raha tsy mirindra ny famokarana eran-tany ary voatsinjara ara-drariny ny harena vokatra.
  1. Ny Kongresy dia manome fahefana ny Birao Foibe handinika sy haka fanapahan-kevitra mikasika izay fanatevenana ny fiaraha-miasa sendikaly Iraisam-pirenena mifanindran-dalana amin’ny FOTO-KEVINY.
  1. Ny fandriampahalemana erantany no anisan’ny andry iankinan’ny fanpandrosoana. Koa melohin’ny FI.SE.MA. ary toheriny ireo tetika sy fomba rehetra hanohintohinana izany: ny fampihorohorona iraisam-pirenena; ny fanandevozana amin`ny endriny vaovao, ny faneriterena sy ny fitsabahana atao amin’ny Firenena mahaleontena iray, tahaka izay miseho any Amerika atsimo amin’izao fotoana izao.

ANTANANARIVO, FAHA-19 JONA 2019