FANAMBARANA 1° MAY 2021

Classé dans : ACTUALITES, FITENY MALAGASY, SYNDICALISME | 0

NY FIRAISAN’NY SENDIKAN’NY MPIASA  ETO MADAGASIKARA – FI.SE.MA. – DIA MIARAHABA NY MPIASA MALAGASY TSY ANKANAVAKA NOHO IZAO ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ASA – 1 MAY IZAO, ARY MANENTANA HATRANY NY MPIASA  SY NY VAHOAKA MALAGASY HIARO TENA MANOLOANA NY VALAN’ARETINA  CORONAVIRUS IZAY TENA MANIMBA SY MANAKORONTANA TANTERAKA NY FIAINAN’NY MPIARA-BELONA REHETRA.  MIONDRIKA AM-PANAJANA IHANY KOA HOAN’IREO IZAY LAVO TAMIN’IZANY ARY MAMPAHERY IREO MALAGASY NAMANA FIANAKAVIAN`IZY IREO.

Miditra amin`ny taona faharoa anamarihana ny 1° mai – Andro Iraisam-pirenena momba ny Asa – anatin’ny fihibohana ity 1 Mai 2021 ity, noho ny valan’aretina covid 19.

Tsy azontsika lavina fa zava-doza tokoa ity valan’aretina ity, tsy noho ny antony ara-pahasalamana fotsiny ihany, fa indrindra eo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana:

  • Mitotongana  amin’ny ankapobeny ny fihariana maneran-tany, ary miantraika aty amin’ny firenena  osa toa an’i Madagasikara izany ;
  • Mitombo isa ireo tsy an’asa na ireo zara fa miasa any amin’ny sehatra maro samihafa na manara-penitra na any misehatra amin`ny rafitra tsy ara-dalana;
  • Mikorontana ny fiainam-pianakaviana noho ny fihenan’ny vola miditra, etsy andaniny anefa ny fandaniana tsy azo ahena intsony fa dia izay tena hahavelona ahafahana mitady ny hoarapaka sy miahy ny fianakaviana no hamoaham-bola: sakafo, hofa-trano, fianaran’ny ankizy, saran-dalana,….
  • Very Hasina ny soatoavina maha-Malagasy ary voazimbazimba ny fomba amam-panao eo anivon`ny mpiarabelona,
  • Ny fiahiana ara-tsosialy dia marefo, indrindra ho an’ireo beantitra mpandray fisotroan-dronono.
  • Marefo dia marefo toa izany koa ny fiainan’ny 80% mpiasa Malagasy ary tsy maharaka intsony ireo filana fototra maha olona ;
  • Manararaotra ny fahaosan’ny mpiasa  sy ny tsy fananan’asa ireo mpampiasa sasany ka manao « tsindrio fa lavo » sy « ny kely tsy mba mamindro »,
  • Mitombo isa ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ireo marefo ara-pahasalamana noho ny Covid-19 eny anivon`ny toeram-piasana sasany,
  • Tsy voasahan`ny Fanjakana intsony ny manaramaso ny fampiharana ny lalana sy ny fanajana ny zo fototry ny mpiasa eny anivon`ny orinasa,
  • Manjaka ny kiantranoantrano sy ny ramahatahora amin’ny endriny maro,
  • …sns, sns, tsy ho ary voatanisa.

Re ombieny ombieny ny hoe “Ady iombonana ny ady amin’ity valan’aretina ity, ka tokony iaraha-misalahy”.  Tsapa anefa fa tsy mirindra mihitsy ny enti-manao eny amin’ny toeram-piasana. Maro ireo orinasa no manery an-kolaka ny mpiasa hiasa sy hanenjika ny tarigetra kanefa tsy manome ny fitaovana iarovan-tena ho amin’izany, manginy fotsiny ny tsy fanajana ny zo fototra maha olona,.Tena “Very fanahy mbola velona” ny mpiasa malagasy.

Mampametra-panontaniana sy mahavelona ahiahy ihany koa ny tsy firaharahian’ny Fitondrana ireo orinasam-panjakana toa ny KRAOMA sy ny SECREN, izay tsy nandray karama ny ankamaroan’ny mpiasa efa ho am-bolana maro izao ary tsy voahaja ny fisitrahan’ izy ireo ny  zony hitsabo tena.

Eo anatrehan’izany toe-java-misy samihafa izay mavesatra eo amin’ny fiainan’ny mpiasa Malagasy  izany, ny FI.SE.MA. dia miantso ny Fitondram-panjakana mahefa,

  •  Hametraka paik’ady mazava sy mirindra isan’ambaratonga hiatrehana ny valan’aretina;
  • Hitandro sy hampanaja ny zon’ny mpiasa – indrindra ireo zo fototra – amin`ny alalan`ny fanamafisana ny fisafoan`asa sy fandraisana fepetra hentitra manoloana ireo orinasa tsy manaraka ny lamina apetraka amin`izao hamehana ara-pahasalamana izao;.
  • Hijery manokana ny mpiasa Malagasy satria ireo no harena voalohany sy fototry ny fampandrosoana hampitombo ny harin-karena eto amin`ny Firenana, ka sorohina araka izay azo atao ny fahaverezan’asa;
  • Hanamaivana ny fiantraikan’ny valan’aretina eo amin’ny sokajin’olona marefo, indrindra ireo beantitra mpandray fisotroan-dronono sy ireo marefo ara-pahasalamana mbola am-perin’asa.

ANTANANARIVO, FAHA 30 APRILY 2021

AMIN’NY ANARAN’NY BIRAO FOIBE FI.SE.MA.

                    Ny Sekretera Jeneraly Lefitra                                          Ny Sekretera Jeneraly

                      JEAN GUALBERT RAVONJISON                               JOSE   RANDRIANASOLO