Tafapetraka ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra vaovao, izay nanankinan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ireo heverina ho laharam-pahamehana dia ny:
(1) Fisitrahan’ny rehetra ny angovo; (2) Fisitrahan’ny rehetra rano fisotro madio sy fanadiovana; (3) Fisitrahan’ny rehetra fahasalamana; (4) Fisitrahana fanabeazana tsara kalitao sy mendrika; (5) Famoronana asa ho an’ny tanora; (6) Fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho amin’ny fanavaozana.
Nahavelom-bolo ny maro ny kabarin’ny Filoham-Panjakana tamin’ny fanolorana ireo Minisitra vaovao, na dia somary mampanahy ihany aza ny momba ny sasantsasany amin’izy ireo.
Etoana, ary ho fitondrana anjara biriky amin’ny fanavaozana ny Firenena sy ny Fifampitondran’ny samy Malagasy, indrindra eo amin’ny tontolon’ny asa, ny FI.SE.MA. dia manantitra ny maha-zava-dehibe ny TANY TAN-DALANA sy NY FANAJANA IREO ZO FOTOTRA MAHA-OLONA – AO ANATIN’IZANY NY ZON’NY MPIASA :
Ilaina araka izany ny fametrahana ny RAFI-PITSIRIHANA ANKAPOBENY NY ASA (INSPECTION GENERALE DU TRAVAIL), eo ambany fiahian’ny Primatiora na ny Prezidansa, natao hiantoka ny fampiharana ireo Fenitra sy Zo Fototra eo amin’ny ASA voalazan’ireo Fanambarana isan-karazany nataon’ny Fanadaminana Irasam-pirenena momba ny Asa (O.I.T.), izay maha-mpikambana feno ny Fanjakana Malagasy. Maro ireo INSPECTEURS DE TRAVAIL sy CONTROLEURS DE TRAVAIL, izay natao indrindra hampihatra sy hampanaja ireny Fenitra sy Zo Fototra ireny no manao asam-birao sy ny zavatra hafa, fa tsy mifantoka tanteraka amin’ny fanaraha-maso araka ny tokony ho izy ny tontolon’ny asa; hany ka manara-po, toy ny banga mihomehy alina, ny mpampiasa maro amin’ny fanitsakitsahana ny Zon’ny mpiasa sy manao toetra-tsi-zaka, indrindra any amin’ireo faritra lavitr’andriana.
Ankoatra ny fampanajana ireo Fenitra sy Zo fototra eo amin’ny Asa ireo, dia maika ihany koa ny fiarovana sy ny fampanaraham-penitra – na dia amin’ny ampahany ihany aza – ireo mpiasa tena (travailleurs indépendants) izay any amin’ny sehatra tsy manara-penitra sy any ambanivolo lavitra any ny 90% amin’izy ireo. Mahafantatra tsara izany ireo mpahay toe-karena sy ny mpiadidy ny asa. Sehatry ny fambolena, fiompiana, jono, asa-tanana, fitrandrahana harena an-kibon’ny tany madinika (petites mines) no iasan’ireo vahoaka an-tapitrisany ireo, ary olona vonon-kiasa sy miandrandra fiainana tsaratsara kokoa izy ireo ka tsy tokony hodian’ny Fitondrana tsy hita.
Momba ny fandaminana ny Fanjakana (organisation de l’Etat), ny FI.SE.MA. dia miombo-peo amin’ireo rehetra mahatsapa fa ny FANOMEZANA FIZAKANTENA NY FARITRA NA FARITANY (AUTONOMIE DES REGIONS OU DES PROVINCES) izay tokony hitarika FITSINJARANA ARA-DRARINY ny fahefana sy ny harena vokatra no lalana mahomby haha-marin-toerana ny Fanjakana Malagasy. Rariny sy hitsiny araka izany ny fametrahana izany lamina izany ho vaindohan-draharaha sy ho fanaingana ny fampandrosoana ifotony sy tsy mitanila, araka ny otrikarena sy olona hananan’ny faritra tsirairay avy.
Farany, ny FI.SE.MA. dia mampatsiahy ombieny ombieny fa na dia tsy anisan’ny laharam-pahamehana voatanisa etsy ambony aza ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanaparam-pahefana amin’ny endriny rehetra, dia tsy tokony hadinoin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo mpiara-miasa aminy fa ireo no fositra manimba ny fiaraha-monina sy vato misakana ny fandrosoana
Antananarivo, faha-30 OKTOBRA 2025
Amin’ny anaran’ny FI.SE.MA
NY BIRAO FOIBE