FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Vos profils / Ny sehatra misy anao
👤 Profil travailleur · Mpiasa
🛺 Secteur informel
🛺 Mpiasa tsy manara-penitra
Vos droits existent, même sans contrat écrit. Le Code du travail 2024 vous protège.
Misy ny zonao, na tsy misy fifanarahana an-tsoratra aza. Ny Fehezan-dalàna 2024 dia miaro anao.

⚠️ Le saviez-vous ?

⚠️ Fantatrareo ve ?

Le Code du travail 2024 (Loi n°2024-014) intègre désormais explicitement l'économie informelle dans la définition de l'employeur (Art. 1). Vos droits sont réels, même sans contrat écrit.

Ny Fehezan-dalàna 2024 dia mampiditra mazava ny toekarena tsy manara-penitra amin'ny famaritana ny mpampiasa (Art. 1). Tena misy ny zonao, na tsy misy fifanarahana an-tsoratra aza.

📋 Vos droits sans contrat écrit.
Ny zonao tsy misy fifanarahana an-tsoratra.
⚖️
Contrat verbal reconnu.
Ekena ny Fifanarahana am-bava.
Le droit malgache reconnaît pleinement le contrat verbal. La charge de la preuve est allégée en faveur du travailleur : témoins, reçus, SMS, photos suffisent.
Ekena feno ny fifanarahana am-bava amin'ny lalàna malagasy. Mora kokoa ny fampisehoana ny porofo ho an'ny mpiasa : vavolombelona, rosia, SMS, sary dia ampy.
Art. 1 & 19 — Loi 2024-014
🔍
Inspection du Travail accessible.
Ny Fitsirihana ny Asa dia azo atonina.
Même sans contrat, vous pouvez saisir l'Inspection du Travail gratuitement. Elle est compétente pour tout travailleur, formel ou informel (Art. 305).
Na tsy misy fifanarahana aza, dia azonao atonina maimaimpoana ny Fitsirihana ny Asa. Mahefa ho an'ny mpiasa rehetra izy, manara-penitra na tsy manara-penitra.
Art. 305 — Loi 2024-014
💰
SME applicable.
Ny Karama Farany Ambany (SME) ampiharina.
Le Salaire Minimum d'Embauche (315 000 Ar/mois depuis octobre 2026, secteur non agricole, catégorie M1-1A) s'applique à tous les travailleurs, y compris le secteur informel. Aucun employeur ne peut y déroger.
Mihatra amin'ny mpiasa rehetra ny Karama Farany Ambany (315 000 Ar/volana manomboka ny Oktobra 2026, sehatra ivelan'ny fambolena, sokajy M1-1A), anisan'izany ny sehatra tsy manara-penitra. Tsy misy mpampiasa afaka mandika izany.
Décret n°2026-1358 du 02/06/2026
🛡️
Protection contre les abus.
Fiarovana amin'ny fanararaotana tsy ara-dalàna.
Harcèlement, discrimination, non-paiement : même les travailleurs informels peuvent porter plainte. La FISEMA peut vous accompagner gratuitement.
Fanenjehana, sotasota, fanavakavahana, tsy fandoavana karama : afaka mitaraina na ny mpiasa amin'ny sehatra tsy manara-penitra aza. Afaka manohana anao maimaimpoana ny FISEMA.
Art. 4 & 10 — Loi 2024-014
🏢 Se formaliser — étapes pratiques
Miditra amin'ny sehatra manara-penitra — dingana azo atao
RCCM — Guichet Unique (Antananarivo)
RVFB — Birao tokana (Antananarivo)
Enregistrement au Registre du Commerce et des Sociétés. Tarif accessible, délai rapide. Nécessaire pour toute activité commerciale légale.
Fisoratana ao amin'ny Rejisitry ny Varotra sy ny Fikambanam-barotra. Sarany mora sady haingana. Ilaina ho an'ny varotra ara-dalàna rehetra.
NIF — Direction Générale des Impôts
LFH (NIF) — FITALEAVANA ANKAPOBENY MOMBA NY HETRA (Direction Générale des Impôts)
Numéro d'Identification Fiscale — obligatoire pour facturer légalement et accéder aux marchés publics.
Laharana fanondroan-ketra (NIF)— tsy maintsy ananana rehefa hanao faktiora ara-dalàna sy hiditra amin'ny tsenam-panjakana.
Affiliation volontaire CNaPS (A VENIR)
Fisoratana anarana an-tsitrapo amin'ny CNaPS (MBOLA HO AVY)
Cotisation en fonction de votre revenu déclaré. Ouvre droit à la retraite, aux prestations familiales et à la couverture accident.
Fandoavana latsakemboka araka ny vola miditra nolazaina. Manokatra zo ho amin'ny fisotroan-dronono, fanampiana fianakaviana, sy fiarovana amin'ny loza.
Compte Mobile Money professionnel
Kaonty Mobile Money natao ho an'ny asa
Mvola, Orange Money ou Wave — pour tracer vos flux financiers et faciliter l'accès au microcrédit.
Mvola, Orange Money na Wave — hanaraha-maso ny vola miditra sy hivoaka ary hanamora ny fidirana amin'ny microkredy.
💳 Microcrédit & financement accessible
Microkredy sy famatsiam-bola azo idirana
🏦
OTIV & CECAM
OTIV & CECAM
Institutions de microfinance spécialisées dans le financement des micro-entrepreneurs à Madagascar. Pas de garantie immobilière requise.
Rafitra microfinance manokana amin'ny famatsiam-bola ny mpandraharaha madinika eto Madagasikara. Tsy mila antoka mavesatra.
🏧
AccèsBanque & BOA
AccèsBanque & BOA
Programmes spéciaux pour les micro-entrepreneurs : prêts de 100 000 à 5 000 000 Ar selon le profil et les garanties disponibles.
Programa manokana ho an'ny mpandraharaha kely sy bitika : fampindramam-bola 100 000 ka hatramin'ny 5 000 000 Ar araka ny maha-izy azy sy ny antoka misy.
🤝
Coopératives & GIE
Koperativa & GIE
Se regrouper en coopérative ou GIE pour accéder à des financements collectifs plus importants et négocier de meilleures conditions commerciales.
Mivondrona ho koperativa na GIE mba hahazoana famatsiam-bola miaraka bebe kokoa sy hifampiraharahana amin'ny fepetra tsara kokoa.

Besoin d'aide ? FI.SE.MA. vous accompagne.

Nos conseillers syndicaux sont disponibles pour vous orienter gratuitement.