FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Fiches pratiques
📚 Fiche pratique · Torolàlana
💵
Salaire & SME 2026
Karama & SME 2026
Salaire minimum, bulletin de paie, heures supplémentaires — vos droits selon le Décret n°2026-1358 du 2 juin 2026.
Karama farany ambany, taratasy fandoavan-karama, ora fanampiny — ny zonao araka ny Didim-panjakana 2026-1358 tamin'ny 2 jona 2026.
Art. 83-103 Loi 2024-014 — Décret n°2026-1358

💡 SME 2026 en vigueur.

💡 SME 2026 manan-kery.

Le Décret n°2026-1358 du 2 juin 2026 a fixé le nouveau SME, applicable à compter du 1er octobre 2026 (il abroge le décret n°2026-1352). Votre employeur ne peut pas vous payer en dessous de ce seuil, sous peine de sanctions pénales.

Ny Didim-panjakana laharana 2026-1358 tamin'ny 2 jona 2026 dia nametraka ny Karama Farany Ambany manan-kery vaovao, manomboka amin'ny 1 Oktobra 2026 (manala ny didim-panjakana laharana 2026-1352). Ny mpampiasanao dia tsy mahazo manakarama anao latsaka noho io S.M.E. io, fa raha tsy izany dia mety iharan'ny sazy izy.

💰 Nouveaux montants du SME (Décret n°2026-1358)
💰 Ny SME vaovao (Didim-panjakana 2026-1358)
🏭
Secteur non agricole — catégorie M1-1A
Sehatra ivelan'ny fambolena — sokajy M1-1A
Salaire minimum d'embauche : 315 000 Ar/mois. Salaire minimum d'ancienneté : 318 000 Ar/mois. Valeur du point d'indice : 0,9182 Ar (173,33h/mois).
Karama farany ambany fandraisana asa : 315 000 Ar/volana. Karama farany ambany noho ny fahaelana : 318 000 Ar/volana. Sandan'ny point d'indice : 0,9182 Ar (173,33h/volana).
Annexe A — Décret n°2026-1358 du 02/06/2026
🌾
Secteur agricole — catégorie M1-1A
Sehatra fambolena — sokajy M1-1A
Salaire minimum d'embauche : 320 000 Ar/mois. Salaire minimum d'ancienneté : 323 000 Ar/mois. Valeur du point d'indice : 0,8084 Ar (200h/mois).
Karama farany ambany fandraisana asa : 320 000 Ar/volana. Karama farany ambany noho ny fahaelana : 323 000 Ar/volana. Sandan'ny point d'indice : 0,8084 Ar (200h/volana).
Annexe B — Décret n°2026-1358 du 02/06/2026
📅
Période d'application
Fotoana mampanankery azy
Ces montants s'appliquent à compter du 1er octobre 2026. La grille complète de toutes les catégories professionnelles (M1-1A à OP3-5B) figure ci-dessous.
Mihatra manomboka ny 1 Oktobra 2026 ireo tarehimarika ireo. Ny tabilao feno ho an'ny sokajin'asa rehetra (M1-1A ka hatramin'ny OP3-5B) dia hita eto ambany.
Art. 1 et 4 — Décret n°2026-1358
📈
Ce qui change en octobre 2026
Ny miova amin'ny volana Oktobra 2026
Secteur non agricole : de 300 000 à 315 000 Ar/mois (+15 000 Ar). Secteur agricole : de 304 300 à 320 000 Ar/mois (+15 700 Ar). Le plafond de la base de cotisation CNaPS/SMIE (8 fois le SME) passe à 2 520 000 Ar dans le secteur non agricole.
Sehatra ivelan'ny fambolena : avy amin'ny 300 000 ho any amin'ny 315 000 Ar/volana (+15 000 Ar). Sehatra fambolena : avy amin'ny 304 300 ho any amin'ny 320 000 Ar/volana (+15 700 Ar). Ny fetra ambony hikajiana ny latsakemboka CNaPS/SMIE (8 heny ny SME) dia lasa 2 520 000 Ar amin'ny sehatra ivelan'ny fambolena.
Décret n°2026-1358 du 02/06/2026
📊 Grille complète des SME par catégorie (en Ariary/mois, à compter du 1er octobre 2026)
📊 Tabilao feno ny SME isaky ny sokajin'asa (Ariary/volana, manomboka ny 1 Oktobra 2026)
Catégorie / SokajyNon agricole
(point 0,9182 — 173,33h)
Agricole / Fambolena
(point 0,8084 — 200h)
EmbaucheFandraisanaAnciennetéFahaelanaEmbaucheFandraisanaAnciennetéFahaelana
M1-1A315 000318 000320 000323 000
M2-1B320 000323 000325 000328 000
OS1-2A325 000328 000331 000327 000 *
OS2-2B331 000333 000336 000339 000
OS3-3A336 000339 000341 000344 000
OP1A-3B341 000344 000347 000349 000
OP1B-4A346 000349 000352 000355 000
OP2A-4B352 000375 000357 000381 000
OP2B-5A398 000426 000404 000432 000
OP3-5B454 000470 000461 000477 000

Source : annexe du Décret n°2026-1358 du 02/06/2026. * Valeur reproduite telle que publiée dans l'annexe officielle ; en cas de doute, se référer au texte du Journal Officiel ou contacter FI.SE.MA.

Loharano : fanampin'ny Didim-panjakana laharana 2026-1358 tamin'ny 02/06/2026. * Tarehimarika nalaina araka ny navoaka tao amin'ny fanampiny ofisialy ; raha misy ahiahy, jereo ny Gazety Ofisialy na manontania ny FI.SE.MA.

💵 Salaire & bulletin de paie
Karama sy taratasy fandoavan-karama
📄
Bulletin de paie obligatoire
Taratasy fandoavan-karama — tsy maintsy misy
Votre employeur doit vous remettre un bulletin de paie à chaque versement de salaire. Le format électronique est désormais autorisé. Conservez tous vos bulletins.
Tsy maintsy omen'ny mpampiasa anao ny taratasy fandoavan-karama amin'ny fotoana fandoavana karama. Eken'ny lalàna ankehitriny ny endrika nomerika. Tehirizo tsara ny taratasy fandoavan-karama rehetra nandraisanao karama.
And. 95 — Lalàna 2024-014
🏦
Paiement digital encouragé
Amporisihina ny fandoavana nomerika
Le paiement du salaire par mobile money ou virement bancaire est encouragé par la Loi 2024-014. Le paiement en nature est limité à 30% maximum du salaire.
Ny fandoavana karama amin'ny fomba nomerika (mobile money), na famindrana vola any amin'ny banky dia amporisihina ao amin'ny Lalàna 2024-014. Ny fandoavana amin'ny alalan'ny entana alaina dia voafetra ho 30% fara-fahaben'ny karama.
And. 93-95 — Lalàna 2024-014
⏰
Prescription : 12 mois
Fetran'ny zo hitakiana karama : 12 volana
Vous avez 12 mois pour réclamer un salaire impayé. Passé ce délai, la créance est prescrite. Agissez rapidement si votre employeur ne vous paie pas.
Manana 12 volana ianao hitakiana karama tsy azo. Rehefa dila io fotoana io, dia very ny zo ahafahanao mitaky izany. Mila mihetsika haingana raha tsy mandoa ny karamanao ny mpampiasanao.
And. 105 — Lalàna 2024-014
⏱️ Heures supplémentaires — vos droits
Ora fanampin'asa na ora ambony ampanga — ny zonao
➕
+30% — 41e à 48e heure
+30% — manomboka amin'ny ora faha-41 ka hatramin'ny faha-48
Les 8 premières heures supplémentaires par semaine sont majorées de 30% du taux horaire normal.
Ny valo (8) ora fanampiny voalohany isan-kerinandro dia tataovana 30% ny sandan'ny karama isaky ny ora mahazatra.
And. 55 — Lalàna 2024-014
➕➕
+50% — au-delà de 48h
+50% — mihoatra ny 48 ora
Toute heure au-delà de la 48e est majorée de 50%. L'employeur doit obtenir l'autorisation préalable de l'Inspection du Travail.
Ny ora rehetra ambonin'ny 48ora dia tataovana 50% ny karama. Tsy maintsy mahazo alalana mialoha avy amin'ny Sampan-draharaha Fitsirihan'Asa ny mpampiasa vao mahazo mampanao izany.
And. 55 — Lalàna 2024-014
🎉
+100% — dimanches & jours fériés
+100% — andro alahady sy andro fety
Toute heure travaillée le dimanche ou un jour férié légal est payée au double du taux normal.
Ny ora rehetra nanaovana asa tamin'ny alahady na andro fety ara-dalàna dia andovan-karama in-droa avo heny -na 100% - ny sanda mahazatra.
And. 55 — Lalàna 2024-014

Mety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!

Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.

Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.