FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Vos profils / Ny sehatra misy anao
👤 Profil travailleur · Mpiasa
🎓 Jeunes travailleurs
🎓 Tanora mpiasa & Asa
Stage, apprentissage, premier emploi : vos droits dès 15 ans selon le Code du travail 2024.
Stage, fiofanana, asa voalohany : ny zonao manomboka 15 taona no mihoatra, araka ny Fehezan-dalàna 2024.

✅ Madagascar a ratifié les Conventions OIT n°138 & n°182.

✅ Madagasikara dia nankatoa ny Fifanarahana OIT faha-138 & faha-182

Convention n°138 : âge minimum d'admission à l'emploi (15 ans). Convention n°182 : pires formes de travail des enfants — tolérance zéro.

Fifanarahana faha-138 : taona fara-fahakeliny hipetrahan'ny amin'ny asa (15 taona). Faha-182 : karazam-piasana ratsy indrindra ho an'ny ankizy — tsy ekena mihitsy.

📅 Droits selon votre âge
Zo araka ny taonanao
👦
15 ans — âge minimum
15 taona — taona fara-fahakeliny
Vous pouvez travailler dès 15 ans avec autorisation parentale. Maximum 8 heures par jour. Repos de 12 heures obligatoire. Travaux dangereux interdits.
Afaka miasa ianao raha 15 taona no mihoatra FA miaraka amin'ny alalana avy amin'ny ray aman-dreny. 8 ora isan'andro fara-fahabeny. Fitsaharana 12 ora tsy maintsy hajaina. Asa mampidi-doza voarara.
Conv. OIT n°138 & Art. 100
🧑
Moins de 18 ans — protections renforcées
Latsaky ny 18 taona — fiarovana nohamafisina
Interdit de nuit (22h-5h), travaux insalubres, mines, port de charges lourdes. Visite médicale annuelle obligatoire prise en charge par l'employeur.
Voarara ny manao asa alina (22h-5h), asa mandoto, toeram-pitrandrahana harena an-kibon'ny tany, fitondrana entana mavesatra. Fitsirihana ara-pahasalamana isantaona tsy maintsy hatao, iantohan'ny mpampiasa.
Art. 105-115 — Loi 2024-014
🎓
18 ans — droits complets
18 taona — zo feno
À partir de 18 ans, tous les droits du Code du travail 2024 s'appliquent pleinement. Vous pouvez adhérer à un syndicat, signer des contrats et exercer toutes les fonctions.
Manomboka ny faha-18 taona, mihatra feno ny zo rehetra ao amin'ny Fehezan-dalàna 2024. Afaka miditra sendika, manao sonia fifanarahana ary manao ny andraikitra rehetra ianao.
📄 Stage & apprentissage — vos droits
Stage & fiofanana — ny zonao
📝
Convention de stage obligatoire
Tsy maintsy misy Fifanarahana ny stage (na fianaran'asa)
Tout stage doit faire l'objet d'une convention tripartite signée entre l'établissement d'enseignement, l'entreprise et vous. Sans ce document, votre stage n'est pas légal.
Ny stage (na fianaran'asa) rehetra dia tsy maintsy miaraka amin'ny fifanarahana telo-lafy soniavin'ny sekoly, ny orinasa, ary ianao. Tsy ara-dalàna ny stage-nao raha tsy misy io taratasy io.
💰
Gratification obligatoire dès 3 mois
Tsy maintsy misy valin'asa raha mihoatra 3 volana
Stage de moins de 3 mois : gratification facultative. Stage de plus de 3 mois : minimum 30% du SME obligatoire. Votre employeur ne peut pas y déroger.
Ny Stage (na fianaran'asa) latsaky ny 3 volana : tsy voatery hisy valin'asa . Ny Stage (na fianaran'asa) mihoatra ny 3 volana : tokony mahazo valin'asa farafahakeliny 30% ny SME (Karama Farany Ambany) . Tsy azon'ny mpampiasa dikaina izany.
Code du travail 2024
🏗️
Contrat d'apprentissage
Fifanaraham-pianaran'asa
Durée : 6 mois à 2 ans. Rémunération : 60% du SME la 1ère année, 80% la 2ème. Doit être enregistré à l'Inspection du Travail. L'employeur a obligation de former.
Faharetany: 6 volana ka hatramin'ny 2 taona. Karama: 60% ny SME (Karama Farany Ambany) ny taona voalohany, 80% ny taona faharoa. Tsy maintsy soratra any amin'ny Fitsirihana ny Asa. Andraikitra sy adidin'ny mpampiasa ny mampianatra asa .
Art. 100-115 — Loi 2024-014
🏥
Couverture CNaPS en cas d'accidents
Fiantohana loza CNaPS
Même en stage, vous êtes couvert par la CNaPS pour les accidents du travail. En cas d'accident, l'employeur doit déclarer sous 48h et prendre en charge vos soins.
Na amin'ny stage (na fianaran'asa) aza, dia arovan'ny CNaPS ianao amin'ny loza azo avy amin'ny asa. Raha misy loza, tsy maintsy manao filazana loza any amin'ny CNaPS, ao anatin'ny 48 ora, ny mpampiasa sy mandray an-tanana ny fitsaboana.
CNaPS — Loi n°68-024
💻 Télétravail & nouvelles formes d'emploi
Asa vitain-davitra & ny endrika asa vaovao
🖥️
Télétravail encadré par la loi
Asa vitain-davitra voafehin'ny lalàna
Pour la première fois, le Code 2024 encadre le télétravail (Art. 70-74). Permanent ou ponctuel. Les équipements doivent être fournis par l'employeur. Égalité de droits avec les collègues en présentiel.
Voalohany izao, ny Fehezan-dalàna 2024 dia mamaritra sy mifehy ny asa vitain-davitra (Art. 70-74). Maharitra na indraindray. Ny fitaovana dia omen'ny mpampiasa. Fitoviana zo amin'ny mpiara-miasa eo an-toeram-piasana.
Art. 70-74 — Loi 2024-014
📚
Droit à la formation professionnelle
Zo amin'ny fiofanana araka asa
Tout travailleur a un droit individuel à la formation pour s'adapter à son poste et évoluer. Le Fonds de Formation Professionnelle finance une partie de ces formations.
Ny mpiasa rehetra dia manana zo tsirairay amin'ny fiofanana mba hifanaraka amin'ny toerany sy ahafahany hivoatra. Ny Tahiry momba ny Fiofanana arak'asa dia manome vola ho an'ny ampahany amin'ireo fiofanana ireo.
Art. IX — Loi 2024-014

Besoin d'aide ? FI.SE.MA. vous accompagne.

Nos conseillers syndicaux sont disponibles pour vous orienter gratuitement.