FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

Ny fifanekena momba ny asa

Zava-dehibe tokoa ny fifandraisana ao amin’ny asa ka mila fantarina amin’ny an-tsipiriany mba hisorohana ny olana, ka ny hanombohana azy dia ny FIFANEKENA MOMBA NY ASA.

1. Ireto avy ny fitsipi-pifehezan’ny fifanekena momba ny asa izay noraiketan’ny lalana mifehy ny asa eto Madagasikara :

2. Ny momban’ny fifanekena voafe-potoana sy fe-potoana tsy voafetra :

a) Fifanekena voafe-potoana :

  1. Ny fifamatorana amina toe-javatra izay azo antoka ny hisehoany any aoriana na dia tsy miankina amin’ny sitrapon’ny roa tonta aza,
  2. Ny asa tsy tafiditra amin’ny anton-draharaha mahazatra ny orinasa,
  3. Ny fanatanterahana raharaha voafaritra ka ny fahavitany no iafaran’ny fifanekena.

Ireto avy ny fepetra mampiova ny fifanekena voafe-potoana :

b) Raisina ho toy ny fifanekena tsy voafe-potoana

Ireto avy ny fepetra tanterahin’ny mpiasa eo am-panatanterahana ny asany :

d) Ireto avy ny fepetra tanterahin’ny mpampiasa mandritan’ny fifanekena :

Tsy azon’ny mpampiasa atao :

Mitohy eo amin’ny mpampiasa vaovao sy ny mpiasan’ny orinasa ny fifanekena momba ny asa eo an-dalam-panatanterahana amin’ny andro isian’ny fiovana ny sata mifehy ny mpampiasa toy ny (fandovana,  fivarotana,  fanakambanana, fanovàn-draharaha, fampanjariana ho fikambanam-barotra, fanomezana hotrandahan’olon-kafa, fampanofana).