FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

Ny fihantonan’ny fifanekena momba ny asa.

Mandritry ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny asa dia mety hitranga ny fihantonan’izany. Koa ireto ny tranga iraikambin’ny folo (11) voalazan’ny Lalana mihefy ny asa.

Ireto ny antony mampihantona ny fifanekena, sy ireo antony mahatapaka azy:

  1. Fotoana hiantsoana ny mpampiasa eo ambany faneva,
  2. Fotoana anaovan’ny mpiasa ny raharaha miaramila izay tsy maintsy ataony,
  3. Fotoana tsy iasan’ny mpiasa noho ny aretina mahazo azy, izay voamarin’ny, mpitsabo, fotoana izay voafetra ho enim-bolana.

4.  Fotoana tsy iasan’ny reny na ny ray, raha marary na miditra hopitaly ny zanany. Tsy maintsy hamarinin’ny dokotera fa ilaina ny fanatrehan’izy ireo, (fotoana izay voafetra ho roa volana).

5- Fotoana handraisan’ny mpiasa anjara amin’ny fifaninanam-pirenena, na iraisam-pirenena, na fihaonambe, ka nahazoana fanamarinana avy amin’ny Ministera misahana ny fanatanjahantena na ny fihaonambe isan-tsokajiny.

Amin’ireo tranga voalaza eo ambony (1,2,3,4,5), mandritra  ny fotoana ihantonan’ny fifanarahana, ny mpampiasa dia tsy maintsy mandoa amin’ny mpiasa ny tambiny izay antsoina hoe : “tambim-pihantonana” :  karama tsy mihoatra ny iray volana, raha toa ka  latsaky ny iray volana ny fotoana fampiomanana mialoha, ary hatramin’ny fetran’ny fampiomanana mialoha amin’ny tranga hafa.

6- Fotoana hiantsoana ny mpiasa hanatanterahiny ny asa maha olom-boafidy , fotoana izay voafetra amin’ny halavan’ny fotoam-panirahana.

7- Fotoana fandefasana ny mpiasa amin’ny fihantonana iombonana noho ny antony teknika (chômage technique) toy ireto antony manaraka ireto :

8- Fotoana iatoan’ny asa noho ny loza vokatry ny asa na aretina vokatry ny asa.

9. Fotoana faharetan’ny fahalavam-potoana noho ny fitokonana ara-dalàna.

10. Fotoana fitakiana asa  voalazan’ny lalàna manankery.

11. Fotoana faharetan’ny fahalavam-potoana noho ny fitanana am-ponja vonjy maika ny mpiasa izay nahazo famotsorana noho tsy fisian’ny antony hanenjehana azy, na afaka madiodio na koa noho ny fisalasalàna.