FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Fiches pratiques
📚 Fiche pratique · Torolàlana
📝
Contrat de travail
Fifanekena arak'asa
CDI, CDD, intérim, télétravail — tout ce que vous devez savoir sur votre contrat selon la Loi n°2024-014.
CDI, CDD, fisoloana toerana, asa vitain-davitra — ny tokony ho fantatrao momba ny fifanarahanao araka ny Lalàna 2024-014.
Art. 17-82 — Loi n°2024-014

📋 Types de contrats

📋 Karazana fifanekena arak'asa

🔁
CDI — Contrat à durée indéterminée
CDI — Fifanekena tsy voafetra ny faharetany
Forme normale du contrat. Pas de durée fixée. Peut être rompu à l'initiative de l'une ou l'autre partie dans le respect de la procédure légale (préavis, entretien préalable).
Endrika mahazatra ny fifanekena arak'asa. Tsy voafetra ny faharetany. Azon'ny andaniny iray tapahina, rehefa manaraka ny dingana voalazan'ny lalàna (fampandrenesana mialoha, dinika mialoha fandroahana).
And. 17 — Lalàna 2024-014
📅
CDD — Durée maximale 2 ans
CDD — Faharetany 2 taona raha be indrindra
Renouvelable 2 fois maximum (6 ans au total). Au-delà, le contrat est automatiquement requalifié en CDI. Interdit pour les postes permanents de l'entreprise.
Azo havaozina in-droa fara-fahabeny (6 taona ny fitambarany). Raha mihoatra izany, dia mivadika ho CDI avy hatrany ny fifanarahana. Voarara amin'ny toerana maharitra ao amin'ny orinasa.
And. 22 — Lalàna 2024-014
⏱️
Période d'essai — 6 mois maximum
Fotoam-pitsapana — 6 volana fara-fahaelany
Renouvelable une fois. CDI : 6 mois max. CDD : 1/5 de la durée du contrat. Rupture possible sans indemnité pendant l'essai, sauf abus de droit.
Azo havaozina indray mandeha. CDI : 6 volana fara-fahaelany. CDD : ny ampahafadimy (1/5) ny faharetan'ny fifanarahana. Azo tapahina tsy misy onitra mandritra ny fitsapana, raha tsy izany dia fanararaotana.
And. 27 — Lalàna 2024-014
💻
Télétravail — Encadré pour la 1ère fois
Asa vitain-davitra — Sambany nofehezina ao anatin'ny Fehezan-dalàna
Permanent ou ponctuel. Doit être formalisé par avenant au contrat. L'employeur fournit les équipements. Droits identiques aux salariés en présentiel.
Maharitra na vonjimaika. Tsy maintsy atovana amin'ny fifanekena arak'asa. Ny mpampiasa no manome fitaovana. Mitovy zo amin'ny mpiasa miasa any am-piasana.
And. 70-74 — Lalàna 2024-014
⚠️ Obligations de l'employeur
⚠️ Andraikitry ny mpampiasa
Contrat écrit obligatoire
Tsy maintsy an-tsoratra ny fifanekena
Tout contrat doit être rédigé en français et/ou malagasy, en double exemplaire signé. L'employeur doit remettre un exemplaire au salarié avant toute prise de poste.
Ny fifanekena rehetra dia tsy maintsy voasoratra amin'ny teny frantsay sy/na malagasy, soniavin'ny andany roa. Ny mpampiasa dia tsy maintsy manome dika iray amin'ny mpiasa mialoha ny fanombohana ny asa.
Déclaration CNaPS dès le 1er jour
Fanambarana any amin'ny CNaPS hatramin'ny andro voalohany
L'affiliation à la CNaPS est obligatoire dès le premier jour de travail. Tout retard engage la responsabilité de l'employeur et peut donner lieu à des pénalités.
Tsy maintsy ho mpikambana ao amin'ny CNaPS ny mpiasa hatramin'ny andro voalohany iasana. Ny fahataran'ny fampidirana ny mpiasa any amin'ny CNaPS dia mampiditra andraikitra ny mpampiasa ary mety hiteraka fanasaziana ara-bola.
Visa de l'Inspection du Travail pour migrants
Visa ataon'ny Fitsirihina ny Asa ho an'ny mpiasa mpifindra monina
Tout contrat d'un travailleur émigrant doit être visé par l'Inspecteur du Travail du service de la migration auprès du Ministère en charge du Travail et de l’emploi avant le départ. Obligation légale sans exception (Art. 60).
Ny fifanekena rehetra amin'ny mpiasa mpifindra monina dia tsy maintsy vita Visa any amin'ny Mpitsirika ny Asa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny fifindra-monina arak'asa ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy ny fampananana asa, mialoha ny fandehanana. Andraikitra voalazan'ny lalàna tsy azo iodivirana (And. 60).
🔍 Ce que doit contenir votre contrat
Ny tokony hisy ao amin'ny fifanarahanao
✅
Mentions obligatoires
Filazana tsy maintsy apetraka
Identité des parties, nature et description du poste, lieu de travail, durée (CDI/CDD), rémunération, période d'essai, durée du travail, convention collective applicable.
Ny maha-izy ny andaniny roa, ny andraikitra sy fitanisana izany, ny toerana hanatanterahana ny asa, ny faharetan'ny fifanarahana (CDI/CDD), ny karama, ny fotoam-pitsapana, ny faharetan'ny fotoam-piasana, ary ny fifanarahana iombonana mihatra - raha misy.
❌
Clauses interdites
Fepetra voarara
Toute clause contraire aux droits garantis par le Code du travail est nulle de plein droit. Exemples : renonciation aux congés payés, aux heures supplémentaires, à la CNaPS.
Ny fepetra rehetra mifanohitra amin'ny zo voaaron'ny Fehezan-dalàna mifehy ny Asa dia foana avy hatrany amin'ny lalàna. Ohatra : ny fialan-tsasatra andraisan-karama, ny tsy fanaovana ora fanampiny, ny fidirana amin'ny CNaPS.

Mety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!

Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.

Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.