Ny FI.SE.MA. dia sendikan’ny mpiasa malagasy, mahaleo tena, naorina tamin’ny 1956 tamin’ny Kongresin’ny C.G.T. Madagasikara. Io Kongresy fanorenana io dia nanapa-kevitra ny hanova ny anarana avy amin’ny « Union des Syndicats CGT de Madagascar » ho « FIRAISAN’NY SENDIKAN’NY MPIASAN’I MADAGASIKARA » ary nametraka ny teratany malagasy ho mpitondra azy.
Ny iraka fototra
Tapa-kevitra amin’ny fiarovana sy fampiroboroboana ny zo sy ny tombontsoa arak’asa, ara-tsosialy ary ara-toekarena an’ny mpiasa, ny iraka fototra voarakitry ny satany dia :
- Miaro amin’ny toe-javatra rehetra ny tombontsoa ara-bola sy ara-moraly an’ny mpiasa amin’ny ankapobeny sy ny mpikambananay manokana ;
- Manao ho vaindohan-draharaha hatrany ny olana isan’andro, izay miseho eny am-piasana, ny birao ary ny sampan-draharaha samihafa;
- Miaro foana ny fitakiana rehetra (anisan’izany ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny karama, ny fepetra fiasana, ny kalitaon’ny asa, ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamana sy fiarovana amin’ny asa…). Izany dia mitaky fihetsehana, fivondronana, fampidirana ny mpiasa amin’ny raharaha, mba hitadiavana ny vahaolana tsara indrindra ho an’ny tranga tsirairay, na iombonana na isam-batan’olona ;
- Mampandroso ny Fahamarinana Ara-tsosialy, satria dia tsy rariny loatra ny fiarahamonina misy antsika ;
- Mampiroborobo ny Asa Mendrika, faniriana ara-drariny efa ela nirian’ny mpiasa.
Ny fomba fiasanay
Amin’izany, ny FI.SE.MA. dia manome vahana hatrany ny dinika ara-tsosialy misokatra sy mampandroso eo amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-tsosialy, ary manome lanja manokana ny fiofanana, ny fanabeazana ary ny fanamafisana ny fahaizan’ny mpikambana.
Ny vinanay
Ho sendika matanjaka, mahaleo tena ary mahasolo tena tsara ny mpiasa, eken’ny rehetra ho filamatra sy modely eto Madagasikara amin’ny lafiny :
- Fitantanana sendikaly ;
- Dinika ara-tsosialy ;
- Fiarovana ny zon’ny mpiasa ;
- Fampiroboroboana ny fifandraisana arak’asa ara-drariny, mitovy ary maharitra.
Hahita an’i Madagasikara ho Firenena Mifanampy sy Mandray andraikitra.
Ny soatoavinay
Fahasamihafana · Fahamarinana · Fahatsaran-toetra · Fahitsiana · Fahafahana · Fitiavan-tanindrazana · Fomba fiasa matihanina · Firaisankina · Mangarahara