FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Ny sehatra misy anao
👤 Profil travailleur · Mpiasa
✈️ Travailleurs migrants malgaches
✈️ Mpiasa mpila ravin'ahitra any ivelany
Partir travailler à l'étranger en sécurité. Convention OIT n°143, projet TADY, recrutement éthique.
Handeha hiasa any ivelany am-pilaminana. Fifanarahana OIT faha-143, tetikasa TADY, fandraisana mpiasa ara-soatoavina.

⚠️ Avant de partir.

⚠️ Mialoha ny fandehanana.

Aucun frais de recrutement ne doit être mis à votre charge. Si un recruteur vous demande de payer, c'est illégal — signalez-le à l'Inspection du Travail et au MAE immédiatement.


Tsy misy sarany fandraisana mpiasa tokony haloanao. Raha misy mpanakarama na mpanelanelana mangataka vola aminao, tsy ara-dalàna izany — lazao any amin'ny Fitsirihana ny Asa sy ny MAE avy hatrany izany.

📋 Avant le départ — Checklist obligatoire
Mialoha ny fandehanana — Ireto ny lisitry ny zavatra tsy maintsy atao
Visa de l'Inspecteur du Travail (ITLS)
Visa ny Fitsirihina ny Asa (ITLS)
Votre contrat de travail doit être visé par l'Inspecteur du Travail avant votre départ. Sans ce visa, votre contrat n'est pas légalement valide à Madagascar (Art. 60 Loi 2024-014).
Ny fifaneken'asanao dia tsy maintsy vita VISA-an'ny Inspecteur de Travail mialoha ny fandehanao. Tsy manan-kery ara-dalàna eto Madagasikara ny fifanarahanao raha tsy misy io VISA io.
Autorisation de sortie du territoire (MAE).
Fahazoan-dalana hivoaka ny tanin'ny Madagasikara (MAE).
Certains pays de destination nécessitent une autorisation spéciale du Ministère des Affaires Étrangères. Vérifiez la liste des pays concernés avant toute démarche.
Misy firenena sasantsasany hiasana mila alalana manokana avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny. Jereo ny lisitry ny firenena voakasika alohan'ny dingana rehetra.
Visite médicale d'aptitude.
Fizaham-pahasalamana.
Un certificat médical certifiant votre aptitude au poste proposé est obligatoire avant le départ (Art. 60 al. 4). Conservez-en une copie.
Ny Taratasin'ny dokotera manamafy ny fahafahanao amin'ny asa atolotra dia ilaina, mialoha ny fandehanana. Tehirizo ny kopia iray.
Enregistrement auprès de l'ambassade.
Fisoratana anarana any amin'ny Masoivoho.
Dès votre arrivée, enregistrez-vous à l'ambassade ou au consulat de Madagascar dans le pays de destination. C'est gratuit et peut être crucial en cas d'urgence.
Raha vao tonga any amin'ny firenena iasanao ianao, dia misorata anarana ao amin'ny Ambasady na ny konsily Malagasy any amin'ny firenena hiasanao. Maimaimpoana izany ary mety ho zava-dehibe amin'ny tranga tsy ampoizina izany.
Contrat traduit & conditions de rapatriement.
Voadika teny ny fifanarahana ary misy ny fepetra fampodiana.
Votre contrat doit mentionner les conditions de rapatriement à la fin du contrat ou en cas de rupture anticipée — aux frais de l'employeur (Art. 60 Loi 2024-014).
Tsy maintsy manondro ny fepetra fampodiana amin'ny fiafaran'ny fifanekena na raha tapaka mialohan'ny fotoana ny fifanarahanao — iantohan'ny mpampiasa ny fandaniana amin'ny fampodiana.
🛡️ Vos droits à l'étranger
Ny zonao any ivelany
⚖️
Convention OIT n°143 ratifiée
Fifanarahana OIT faha-143 nankatoavin'i Madagasikara
Madagascar a ratifié la Convention sur les travailleurs migrants. Elle garantit l'égalité de traitement avec les travailleurs locaux dans le pays d'accueil.
Madagasikara dia nankatoa ny Fifanarahana momba ny mpiasa mpifindra monina na mpila ravin'ahitra. Miantoka ny fitoviam-pitondrana amin'ny mpiasa eo an-toerana any amin'ny firenena mampiantrano izy io.
🚫
Recrutement éthique — OIM
Fandraisana mpiasa ara-tsoatoavina — OIM
Selon les Principes OIT/OIM sur le recrutement équitable : aucun frais ne peut être mis à la charge du travailleur migrant. Passeport et documents personnels ne peuvent pas être confisqués.
Araka ny Fenitry ny OIT/OIM momba ny fandraisana mpiasa ara-dalàna : tsy misy sarany tokony haloavin'ny mpiasa mpila ravin'ahitra izany. Tsy azo giazana ny pasiporo sy ny antontan-taratasy manokana.
🏥
Accès à la justice locale
Fahafahana mitory amin'ny fitsarana eo an-toerana
Vous avez le droit de saisir la justice du pays d'accueil en cas de litige avec votre employeur, quelle que soit votre situation administrative.
Manana zo hitory amin'ny fitsarana amin'ny firenena mampiantrano ianao raha misy fifanolanana amin'ny mpampiasanao, na inona na inona ny sata ara-panjakana anananao.
📞
Projet TADY — FISEMA
Tetikasa TADY — FISEMA
Le projet TADY (MAE + Expertise France) accompagne les travailleurs migrants malgaches victimes de violence. La FISEMA est partenaire : +261 33 11 874 14.
Ny tetikasa TADY (MAE + Expertise France) dia manohana ny mpiasa malagasy mpila ravin'ahitra iharan'ny herisetra. Ny FISEMA dia mpiara-miombon'antoka amin'izany : +261 33 11 874 14.
🆘 En cas de problème à l'étranger
Raha sendra misy olana any ivelany
Ambassade ou Consulat de Madagascar
Masoivoho sy Konsilin'i Madagasikara.
Premier recours : contactez immédiatement l'ambassade ou le consulat de Madagascar dans le pays où vous vous trouvez. Ils peuvent intervenir auprès des autorités locales.
Zavatra hatao voalohany : mifandraisa avy hatrany amin'ny Ambasady na ny konsily Malagasy ao amin'ny firenena misy anao. Afaka mifandray avy hatrany amin'ny manampahefana eo an-toerana izy ireo.
FISEMA — +261 33 11 874 14
FISEMA — +261 33 11 874 14
Contactez la FISEMA à Madagascar. Nos équipes peuvent coordonner avec les ambassades et les organisations partenaires (OIM, Expertise France) pour vous aider.
Mifandraisa amin'ny FISEMA eto Madagasikara. Ny ekipanay dia afaka mandrindra amin'ny ambasady sy ny fikambanana mpiara-miombon'antoka (OIM, Expertise France) mba hanampiana anao.
BNLTEH — Bureau de lutte contre la traite
BNLTEH — Biraom-pirenena Miady amin'ny famarinana olombelona
En cas de traite des personnes ou de travail forcé : contactez le Bureau National de Lutte contre la Traite des Êtres Humains (BNLTEH) à Madagascar.
Raha misy tranga famarinana olona na fanerena hiasa tsy an-tsitrapo (asa didian-katao) : mifandraisa amin'ny Biraom-pirenena Miady amin'ny Famarinana Olombelona (BNLTEH) eto Madagasikara.

Mila fanampiana ? FI.SE.MA. miaraka aminareo.

Ny mpanampy sendika dia eo ho eo hanoro anao maimaimpoana.