FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← AccueilFandraisana
🌍 N.I.T · Lalàna iraisam-pirenena
📘
Guide sur les Normes Internationales du Travail (N.I.T)
Torolàlana momba ny Fenitra Iraisam-pirenena momba ny Asa (N.I.T)
L'essentiel sur les normes de l'OIT, la façon dont elles sont contrôlées, et les conventions fondamentales ratifiées par Madagascar.
Ny ilaina fantatra momba ny fenitry ny OIT, ny fanaraha-maso azy ireny, ary ireo fifanarahana fototra nankatoavin'i Madagasikara.
Sources : OIT · Centre international de formation de Turin · Les règles du jeu (2019)

🌍 Madagascar a ratifié toutes les conventions fondamentales de l'OIT.

🌍 Nankatoa ny Fifanarahana fototra rehetra an'ny OIT i Madagasikara.

Les huit conventions fondamentales historiques, puis, en juin 2023, les conventions n°155 et n°187 sur la sécurité et la santé au travail, devenues fondamentales en 2022. Ces normes protègent votre liberté syndicale, votre droit à la négociation collective, et vous garantissent un travail sans contrainte, sans discrimination et sans travail des enfants.

Ny fifanarahana fototra valo tany am-boalohany, ary tamin'ny volana jona 2023 ny fifanarahana laharana faha-155 sy 187 momba ny fiarovana sy ny fahasalamana ao amin'ny asa, izay nanjary fototra tamin'ny 2022. Miaro ny fahalalahana sendikaly sy ny zo hifampiraharaha miaraka amin'ny mpiasa hafa ireo fenitra ireo, ary mahazo antoka ianao fa tsy ho voatery hiasa, tsy hovoahavakavaka eo amin'ny asa ary tsy hisy ny fampiasana ankizy.

📖 Les N.I.T en bref
📖 Ny N.I.T raha fintinina
📜
Qu'est-ce qu'une norme internationale du travail ?
Inona no atao hoe fenitra iraisam-pirenena momba ny asa ?
Ce sont des règles minimales élaborées par les gouvernements, les employeurs et les travailleurs de l'OIT. Elles prennent la forme de conventions et de protocoles, qui sont des traités juridiquement contraignants pour les États qui les ratifient, ou de recommandations, qui sont des principes directeurs non contraignants et complètent souvent une convention.
Fenitra farafahakeliny izy ireo, noforonin'ny governemanta, ny mpampiasa ary ny mpiasa ao amin'ny OIT. Mety ho fafanarahana sy "protocole" izy ireo, izay fifanarahana iraisam-pirenena mamatotra ara-dalàna ireo firenena mankatoa azy, na ho toro-lalana tsy mamatotra, fa mameno matetika ny fifanarahana iray.
Les règles du jeu, OIT 2019
🤝
Qui les adopte, et comment ?
Iza no manaiky azy ireo, ary ahoana ?
La Conférence internationale du Travail réunit chaque année les délégations des États Membres : 2 délégués du gouvernement, 1 délégué des employeurs et 1 délégué des travailleurs, chacun avec une voix égale. Le texte est discuté deux fois (double discussion) puis adopté à la majorité des deux tiers.
Isan-taona dia mivory ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Asa (Conférence Internationale du Travail), izay misy solontenan'ny firenena mpikambana tsirairay: delege roa avy amin'ny governemanta, delege iray avy amin'ny mpampiasa ary delege iray avy amin'ny mpiasa, izay samy manana feo mitovy. Resahina in-droa ny volavolam-pifanarahana (fifanakalozan-kevitra roa), dia ekena rehefa mahazo ny roa ampahatelon'ny vaton'ny mpifidy ara-dalàna.
Les règles du jeu, OIT 2019
✍️
La ratification
Ny fankatoavana (ratification)
Chaque État doit soumettre les normes adoptées à son autorité compétente, en principe le Parlement, dans un délai de 12 mois. S'il ratifie une convention, elle entre en vigueur pour lui en général 12 mois plus tard. Il s'engage alors à l'appliquer en droit et en pratique, et à rendre compte régulièrement de son application.
Tsy maintsy atolotry ny firenena amin'ny manampahefana mahefa (matetika ny Antenimierampirenena) ny fenitra nekena, ao anatin'ny 12 volana. Raha mankatoa fifanarahana iray izy, dia manomboka manan-kery ho azy io afaka 12 volana matetika. Mandray andraikitra avy hatrany izy avy eo hampihatra azy ao amin'ny lalàna sy amin'ny fiainana andavanandro, ary hanao tatitra tsy tapaka.
Les règles du jeu, OIT 2019
⚖️
Des règles universelles, mais souples
Fenitra iraisana, saingy mora ampiharina
Les normes tiennent compte des différences entre les pays. Par exemple, les normes sur le salaire minimum n'imposent pas un montant : elles demandent d'établir un système et des procédures pour le fixer, adaptés au niveau de développement du pays.
Raisina ao anatin'ny fenitra ny fahasamihafan'ny firenena. Ohatra, ny fenitra momba ny karama farany ambany dia tsy mametra mari-bola iray: angatahany ny hananana rafitra sy fomba hamaritana azy, mifanaraka amin'ny haavon'ny fandrosoan'ny firenena.
Les règles du jeu, OIT 2019
🗂️
Trois familles de conventions
Karazana fifanarahana telo
Les conventions fondamentales (dix depuis 2022) portent sur les droits de base au travail. Quatre conventions de gouvernance (n°81 et n°129 sur l'inspection du travail, n°144 sur les consultations tripartites, n°122 sur la politique de l'emploi) assurent le bon fonctionnement du système. Les autres conventions, dites techniques, traitent de sujets précis : salaires, temps de travail, sécurité sociale, maternité, travailleurs migrants...
Ny fifanarahana fototra (folo hatramin'ny 2022) dia miresaka ny zo fototra eo amin'ny asa. Fifanarahana efatra momba ny fitantanana (laharana 81 sy 129 momba ny fitsirihana ny asa, laharana 144 momba ny fifampidinihana telo tonta, laharana 122 momba ny politikan'ny asa) no miantoka ny fandehanan'ny rafitra. Ny hafa ambiny, antsoina hoe fifanarahana teknika, dia miresaka lohahevitra manokana: karama, ora fiasana, fiarovana ara-tsosialy, fiterahana, mpiasa mpifindra monina...
Les règles du jeu, OIT 2019
✅ Les conventions fondamentales ratifiées par Madagascar
✅ Ny fifanarahana fototra nankatoavin'i Madagasikara

Liberté syndicale et négociation collective, travail forcé, travail des enfants, non-discrimination, sécurité et santé au travail : les cinq catégories de principes et droits fondamentaux au travail reconnus par l'OIT.

Fahalalahana sendikaly sy fifampiraharahana iombonana, asa an-terivozona, fampiasana ankizy, tsy fanavakavahana, fiarovana sy fahasalamana ao amin'ny asa: ireo no sokajy dimy amin'ny Hevitra sy Zo Fototra eo amin'ny Asa, araka ny OIT.

✊
C87 · Liberté syndicale et protection du droit syndical (1948)
C87 · Fahalalahana sendikaly sy fiarovana ny zo sendikaly (1948)
Les travailleurs et les employeurs ont le droit, sans autorisation préalable, de constituer les organisations de leur choix et de s'y affilier. Ces organisations rédigent librement leurs statuts, élisent leurs représentants et ne peuvent être dissoutes ni suspendues par voie administrative.
Manana ny zo ny mpiasa sy ny mpampiasa hanangana sy hiditra amin'ny fikambanana araka ny safidin'zy ireo, tsy mila alalana mialoha. Mamolavola an-kahalalahana ny lalàm-pitondrana (sata) ireo fikambanana ireo, mifidy ny solontenany, ary tsy azo foanana na ahantona amin'ny alalan'ny fombam-pitondrana.
✅ Ratifiée en 1960✅ Nankatoavina tamin'ny 1960
🤝
C98 · Droit d'organisation et de négociation collective (1949)
C98 · Zo hanangana fikambanana sy hifampiraharaha iombonana (1949)
Les travailleurs sont protégés contre la discrimination antisyndicale, notamment le licenciement motivé par leur affiliation ou leurs activités syndicales. Les organisations sont protégées contre l'ingérence des unes envers les autres, et la négociation collective volontaire doit être encouragée.
Arovana ny mpiasa amin'ny fanavakavahana noho ny antony ara-tsendikaly, indrindra ny fandroahana noho ny fidirany na ny hetsika sendikaly. Arovana amin'ny fitsabahana ny fikambanana, ary tokony hampirisihina ny fifampiraharahana iombonana an-tsitrapo.
✅ Ratifiée en 1998✅ Nankatoavina tamin'ny 1998
⛓️
C29 · Travail forcé (1930)
C29 · Asa an-terivozona na didian-katao (1930)
Le travail forcé est tout travail ou service exigé d'une personne sous la menace d'une peine et pour lequel elle ne s'est pas offerte de plein gré. L'État s'engage à le supprimer sous toutes ses formes, et son usage illégal doit être puni de sanctions pénales efficaces.
Asa an-terivozona na didian-katao ny asa na ny tolotra rehetra takiana amin'ny olona iray eo ambanin'ny fandrahonana sazy, ary tsy nanolorany tena sy nekeny an-tsitrapo. Mandray andraikitra ny fanjakana hanafoana izany amin'ny endriny rehetra, ary tsy maintsy saziana mafy ny fampiasana izany tsy ara-dalàna.
✅ Ratifiée en 1960✅ Nankatoavina tamin'ny 1960
🚫
C105 · Abolition du travail forcé (1957)
C105 · Fanafoanana ny asa an-terivozona (1957)
Interdit le recours au travail forcé comme sanction pour des opinions politiques, pour avoir participé à une grève, comme mesure de discipline du travail, de discrimination ou de mobilisation de la main-d'oeuvre à des fins de développement économique.
Voarara ny fampanaovana asa an-terivozona ho sazy noho ny hevitra ara-politika, noho ny fandraisana anjara tamin'ny fitokonana, ho fepetra famaizana eo amin'ny asa, ho fanavakavahana, na ho fomba fanangonana mpiasa amin'ny fampandrosoana ara-toekarena.
✅ Ratifiée en 2007✅ Nankatoavina tamin'ny 2007
🧒
C138 · Âge minimum (1973)
C138 · Taona farafahakeliny hidirana amin'ny asa(1973)
L'âge minimum d'admission à l'emploi ne doit pas être inférieur à l'âge de fin de la scolarité obligatoire, ni à 15 ans en règle générale. Il est de 18 ans pour les travaux dangereux. L'État s'engage à abolir effectivement le travail des enfants.
Ny taona farafahakeliny hidirana amin'ny asa dia tsy tokony ho ambany noho ny taona famaranana ny fianarana tsy maintsy atao, na 15 taona amin'ny ankapobeny. 18 taona izany ho an'ny asa mampidi-doza. Mandray andraikitra ny fanjakana hanafoana tanteraka ny fampiasana ankizy.
✅ Ratifiée en 2000✅ Nankatoavina tamin'ny 2000
🛑
C182 · Pires formes de travail des enfants (1999)
C182 · Endrika faran'ny ratsy amin'ny fampiasana ankizy (1999)
Est un enfant toute personne de moins de 18 ans. L'État doit interdire et éliminer d'urgence l'esclavage et la traite des enfants, leur utilisation pour la prostitution ou des activités illicites, et les travaux qui nuisent à leur santé, leur sécurité ou leur moralité.
Ankizy ny olona rehetra latsaky ny 18 taona. Tsy maintsy tsipihina sy foanana avy hatrany ny fanandevozana sy ny varotra ankizy, ny fampiasana azy ireny ho amin'ny fivarotan-tena na asa tsy ara-dalàna, ary ny asa manimba ny fahasalamany, ny filaminany na ny fitondran-tenany.
✅ Ratifiée en 2001✅ Nankatoavina tamin'ny 2001
💱
C100 · Égalité de rémunération (1951)
C100 · Fitoviana amin'ny karama (1951)
Les hommes et les femmes doivent recevoir la même rémunération pour un travail de valeur égale. La rémunération comprend le salaire de base et tous les autres avantages payés directement ou indirectement.
Tokony mahazo karama mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy raha mitovy lanja ny asa ataony. Anisan'ny karama ny karama fototra sy ny kojakoja hafa rehetra aloa mivantana na tsy mivantana.
✅ Ratifiée en 1962✅ Nankatoavina tamin'ny 1962
🌈
C111 · Discrimination, emploi et profession (1958)
C111 · Fanavakavahana eo amin'ny asa (1958)
L'État mène une politique nationale pour éliminer toute discrimination (race, couleur, sexe, religion, opinion politique, ascendance nationale, origine sociale) dans l'accès à la formation, à l'emploi et dans les conditions d'emploi.
Mametraka politika nasionaly ny fanjakana hanafoana ny fanavakavahana rehetra (razana, volon-koditra, lahy sy vavy, fivavahana, hevitra ara-politika, fiavian'ny razana, fiaviana ara-tsosialy) eo amin'ny fidirana amin'ny fiofanana sy ny asa ary ny fepetra mifehy ny asa.
✅ Ratifiée en 1961✅ Nankatoavina tamin'ny 1961
🦺
C155 · Sécurité et santé des travailleurs (1981)
C155 · Fiarovana sy fahasalamana ny mpiasa (1981)
S'applique à tous les travailleurs de toutes les branches d'activité. L'État définit et applique une politique nationale cohérente pour prévenir les accidents et les atteintes à la santé liés au travail, en consultation avec les organisations d'employeurs et de travailleurs les plus représentatives. Fondamentale depuis 2022.
Mihatra amin'ny mpiasa rehetra amin'ny sehatra rehetra. Mamaritra sy mampihatra politika nasionaly mazava sy mirindra ny fanjakana hisorohana ny loza sy ny fahasimban'ny fahasalamana vokatry ny asa, miaraka amin'ny fikambanan'ny mpampiasa sy ny mpiasa tena mahasolontena. Fifanaraahana Fototra hatramin'ny 2022.
✅ Ratifiée en juin 2023✅ Nankatoavina tamin'ny jona 2023
🏭
C187 · Cadre promotionnel pour la sécurité et la santé au travail (2006)
C187 · Rafitra manentana ny fiarovana sy ny fahasalamana ao amin'ny asa (2006)
L'État s'engage à améliorer en continu la sécurité et la santé au travail, au moyen d'une politique, d'un système et d'un programme nationaux élaborés avec les organisations d'employeurs et de travailleurs. Fondamentale depuis 2022.
Mandray andraikitra ny fanjakana hanatsarana tsy tapaka ny fiarovana sy ny fahasalamana ao amin'ny asa, amin'ny alalan'ny politika, rafitra ary programa nasionaly noforonina miaraka amin'ny fikambanan'ny mpampiasa sy ny mpiasa. Fifanarahana Fototra hatramin'ny 2022.
✅ Ratifiée en juin 2023✅ Nankatoavina tamin'ny jona 2023
📌 D'autres conventions ratifiées par Madagascar
📌 Fifanarahana hafa nankatoavin'i Madagasikara
🏛️
C144 · Consultations tripartites (1976)
C144 · Fifampidinihana telo tonta (1976)
Convention de gouvernance. L'État met en oeuvre des procédures de consultation effective entre le gouvernement, les employeurs et les travailleurs sur les activités de l'OIT : réponses aux questionnaires, soumission des normes adoptées, rapports sur les conventions ratifiées.
Fifanarahana momba ny fitantanana. Mametraka fomba fifampidinihana mavitrika eo amin'ny governemanta, ny mpampiasa ary ny mpiasa ny fanjakana momba ny asan'ny OIT: valin'ny fanontaniana, fanolorana ny fenitra nekena, tatitra momba ny fifanarahana nankatoavina.
✅ Ratifiée✅ Nankatoavina
🩺
C161 · Services de santé au travail (1985)
C161 · Sampan-draharahan'ny fahasalamana ao amin'ny asa (1985)
Prévoit des services de santé au travail, à vocation essentiellement préventive, qui conseillent l'employeur, les travailleurs et leurs représentants pour un milieu de travail sûr et sain.
Mamaritra sampan-draharahan'ny fahasalamana ao amin'ny asa, mifantoka amin'ny fisorohana, sy manoro hevitra ny mpampiasa, ny mpiasa ary ny solontenany, mba ho toeram-piasana azo antoka sy salama.
✅ Ratifiée en juin 2023✅ Nankatoavina tamin'ny jona 2023
🚢
Convention du travail maritime, 2006 (MLC)
Fifanarahana momba ny asa an-dranomasina, 2006 (MLC)
Fixe les droits et conditions de travail minimaux des gens de mer. Elle est entrée en vigueur pour Madagascar le 15 juin 2024, un an après sa ratification.
Mametra ny zo sy ny fepetra fiasana farafahakeliny ho an'ny mpiasa an-dranomasina. Nanomboka nanan-kery ho an'i Madagasikara tamin'ny 15 jona 2024 izy, herintaona taorian'ny fankatoavana.
✅ Ratifiée en juin 2023✅ Nankatoavina tamin'ny jona 2023
🔎
La liste complète et à jour
Ny lisitra feno sy vaovao
Madagascar a ratifié d'autres conventions techniques. La liste officielle, avec les dates de ratification et l'état de chaque convention, est publiée par l'OIT sur sa base de données NORMLEX, rubrique « Ratifications par pays ».
Nankatoavin'i Madagasikara koa ny fifanarahana teknika hafa. Ny lisitra ofisialy, miaraka amin'ny daty sy ny toetry ny fifanarahana tsirairay, dia navoakan'ny OIT ao amin'ny tahiry NORMLEX, ao amin'ny lohateny « Ratifications par pays ».
normlex.ilo.org
🔍 Comment l'OIT contrôle l'application des normes
🔍 Ahoana no fanaraha-maso ny fampiharana ny fenitra ataon'ny OIT
Les rapports du gouvernement
Ny tatitry ny governemanta
Pour les conventions fondamentales et de gouvernance qu'il a ratifiées, le gouvernement présente un rapport tous les 3 ans ; pour les autres, tous les 6 ans. Il doit en communiquer une copie aux organisations d'employeurs et de travailleurs, qui peuvent faire des commentaires.
Ho an'ny fifanarahana fototra sy fifanarahana momba ny fitantanana nankatoavina, mandefa tatitra isaky ny 3 taona ny governemanta; ho an'ny hafa, isaky ny 6 taona. Tsy maintsy omeny kopia ny fikambanan'ny mpampiasa sy ny mpiasa, izay afaka manome ny heviny.
Vos commentaires de syndicat
Ny hevitry ny sendika
Les organisations de travailleurs peuvent aussi envoyer directement au Bureau international du Travail leurs commentaires sur l'application des conventions ratifiées. C'est un moyen concret de signaler les lois ou pratiques qui ne respectent pas une convention.
Afaka mandefa mivantana any amin'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa ny hevitr'izy ireo momba ny fampiharana ny fifanarahana nankatoavina ny fikambanan'ny mpiasa. Fomba mazava izany hanondroana ny lalàna na ny fanao tsy manaja ny fifanarahana.
La Commission d'experts
Ny Vaomieran'ny manam-pahaizana
20 juristes indépendants, nommés pour trois ans renouvelables, examinent les rapports et formulent des « observations » publiées dans leur rapport annuel, ou des « demandes directes » adressées aux gouvernements.
Mpahay lalàna 20 tsy miankina, voatendry hampiasaina telo taona azo havaozina, no mandinika ny tatitra ary manao « fandinihana » ao amin'ny tatitra isan-taona, na « fangatahana mivantana » ho an'ny governemanta.
La Commission de l'application des normes
Ny Vaomiera momba ny fampiharana ny fenitra
Commission tripartite de la Conférence internationale du Travail, réunie en juin. Elle choisit une vingtaine de cas, entend les gouvernements concernés et adopte des conclusions.
Vaomieran'ny telo tonta ao amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Asa, mivory amin'ny volana Jona. Misafidy tranga roapolo eo ho eo izy, mandre ireo governemanta voakasik'izany ary mandray fanapahan-kevitra.
Réclamation et plainte
Fitarainana sy fitoriana
Une organisation d'employeurs ou de travailleurs peut présenter une réclamation (article 24 de la Constitution de l'OIT) contre un État qui n'assure pas de manière satisfaisante l'exécution d'une convention ratifiée. Les individus ne le peuvent pas directement : ils transmettent l'information à leur organisation. Dans les cas les plus graves, l'affaire peut aboutir à une plainte et à une commission d'enquête.
Afaka manao fitarainana (andininy faha-24 amin'ny Lalàm-panorenan'ny OIT) ny fikambanan'ny mpampiasa na mpiasa manoloana firenena tsy mampihatra ara-pahamendrehana fifanarahana nankatoaviny. Tsy afaka manao izany mivantana ny olon-tsotra: mampita ny filazana any amin'ny fikambanany izy. Amin'ny tranga mafy indrindra, mety hiafara amin'ny fitoriana sy ny Vaomiera mpanao fanadihadiana ny raharaha.
Une procédure spéciale pour la liberté syndicale
Fomba manokana ho an'ny fahalalahana sendikaly
Le Comité de la liberté syndicale (CLS) examine les plaintes même si le pays n'a pas ratifié les conventions n°87 et n°98. Voir la page consacrée au CLS.
Mandinika ny fitoriana ny Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly (CLS) na dia tsy nankatoa ny fifanarahana laharana 87 sy 98 aza ilay firenena. Jereo ny pejy momba ny CLS.
🧭 La Déclaration de l'OIT sur les principes et droits fondamentaux au travail
🧭 Ny Fanambarana an'ny OIT momba ny Hevitra sy Zo Fototra eo amin'ny Asa
📣
Adoptée en 1998, amendée en 2022
Nekena tamin'ny 1998, novaina tamin'ny 2022
Tous les États Membres de l'OIT ont l'obligation de respecter, de promouvoir et de réaliser de bonne foi cinq principes, même s'ils n'ont pas ratifié les conventions correspondantes : la liberté d'association et la reconnaissance effective du droit de négociation collective ; l'élimination de toute forme de travail forcé ou obligatoire ; l'abolition effective du travail des enfants ; l'élimination de la discrimination en matière d'emploi et de profession ; un milieu de travail sûr et salubre (ajouté en juin 2022).
Voatery manaja, mampiroborobo ary mampihatra amim-pahamarinana ny fitsipika dimy ny firenena mpikambana rehetra ao amin'ny OIT, na dia tsy nankatoa ny fifanarahana mifandraika amin'izany aza: ny fahafahana hanangana fikambanana sy ny fanekena ny zo hifampiraharaha iombonana; ny fanafoanana ny asa an-terivozona na didian-katao rehetra; ny fanafoanana tanteraka ny fampiasana ankizy; ny fanafoanana ny fanavakavahana eo amin'ny asa sy ny andraikitra; ary toeram-piasana azo antoka sy ara-pahasalama (nampiana tamin'ny volana Jona 2022).
Déclaration de l'OIT (1998, amendée en 2022)
📚 Pour approfondir
📚 Hianatra bebe kokoa ve ?
📘
Les sources de cette page
Ny loharanon'ity pejy ity
Guide sur les normes internationales du travail (Centre international de formation de l'OIT, Turin, 2008) ; Les règles du jeu : une introduction à l'action normative de l'OIT (4e édition, 2019) ; Déclaration de l'OIT relative aux principes et droits fondamentaux au travail et son suivi (1998, amendée en 2022) ; communiqué de l'OIT sur les ratifications de Madagascar (juin 2023) ; rapport de la CSI sur les normes fondamentales du travail à Madagascar (2008) pour les années de ratification des conventions fondamentales historiques.
Torolàlana momba ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa (Foibem-pampiofanana iraisam-pirenena an'ny OIT, Turin, 2008); « Les règles du jeu » (fanontana faha-4, 2019); Fanambarana an'ny OIT momba ny Hevitra sy Zo fototra eo amin'ny asa (1998, novaina tamin'ny 2022); fanambarana an'ny OIT momba ny fankatoavan'i Madagasikara (jona 2023); tatitry ny CSI momba ny fenitra fototra eo amin'ny asa eto Madagasikara (2008) ho an'ny taona nankatoavana ny fifanarahana fototra tany am-boalohany.
OIT · ITC-ILO · CSI
✊
Suite : le Comité de la liberté syndicale
Manaraka: ny Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly
Votre organisation s'estime victime d'une atteinte à la liberté syndicale ? Découvrez comment fonctionne le CLS et comment le saisir.
Mihevitra ve ny fikambananao fa voan'ny fandikana ny fahalalahana sendikaly? Jereo ny fomba fiasan'ny CLS sy ny fomba itondrana raharaha aminy.
→ Comité de la liberté syndicaleKomity momba ny Fahalalahana Sendikaly

Mety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!

Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.

Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.