← AccueilFandraisana🌍 N.I.T · Lalàna iraisam-pirenena
✊
Le Comité de la Liberté Syndicale (CLS)
Ny Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly (CLS)
Ce qu'est le Comité de Liberté Syndicale de l'OIT, qui peut le saisir, et comment déposer une plainte pour atteinte à la liberté syndicale.
Ny atao hoe Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly an'ny OIT, iza no afaka mitondra raharaha eo aminy, ary ahoana ny fametrahana fitoriana noho ny fandikana ny fahalalahana sendikaly.
Sources : OIT · Compilation des décisions du CLS (2018) · Guide pratique de la liberté syndicale · Les règles du jeu (2019) ✊ Une plainte est possible même si le pays n'a pas ratifié les conventions.
✊ Azo atao ny mitory ny firenena iray na dia tsy nankatoa ny Fifanarahana (Conventions) aza izy .
Le CLS examine les plaintes pour violation de la liberté syndicale que l'État concerné ait ou non ratifié les conventions n°87 et n°98, parce que la liberté syndicale fait partie des principes inscrits dans la Constitution de l'OIT. Ni le consentement du gouvernement, ni l'épuisement préalable des recours nationaux ne sont exigés.
Mandinika ny fitoriana noho ny fandikana ny fahalalahana sendikaly ny CLS, na nankatoa na tsia ny Fifanarahana laharana 87 sy 98 aza ilay Fanjakana voakasik'izany, satria anisan'ny fitsipika voasoratra ao amin'ny Lalàm-panorenan'ny OIT ny fahalalahana sendikaly. Tsy takiana ny faneken'ny governemanta, ary tsy ho voatery tapitra mialoha ny dingana ao amin'ilay firenena.
🏛️ Présentation du Comité
🏛️ Fampahafantarana ny Komity
📅
Créé en 1951
Naorina tamin'ny 1951
Le Conseil d'administration du Bureau international du Travail l'a institué après l'adoption des conventions n°87 et n°98, pour que les principes de la liberté syndicale soient aussi respectés dans les pays qui n'ont pas ratifié ces conventions. Depuis, il a examiné plus de 3 300 cas, et plus de 60 pays ont pris des mesures à la suite de ses recommandations.
Natsangan'ny Filankevi-pitantanan'ny Birao Iraisam-pirenena momba ny Asa izy io taorian'ny fanekena ny Fifanarahana laharana 87 sy 98, mba hajaina koa ny hevitra fototry ny fahalalahana sendikaly any amin'ny firenena tsy nankatoa ireo Fifanarahana ireo. Hatramin'izay dia nandinika tranga mihoatra ny 3 300 izy, ary firenena mihoatra ny 60 no nakana fepetra taorian'ny torohevitra nomeny.
Les règles du jeu, OIT 2019⚖️
Une composition tripartite
Rafitra misy ny telo tonta
Il est composé d'un président indépendant, de trois représentants des gouvernements, de trois représentants des employeurs et de trois représentants des travailleurs. Les membres siègent à titre personnel, et le Comité recherche toujours une décision unanime. Aucun représentant ou ressortissant de l'État mis en cause ne participe à l'examen du cas.
Misy filoha tsy miankina ny Komity, solontena telo avy amin'ny governemanta, telo avy amin'ny mpampiasa ary telo avy amin'ny mpiasa. Mipetraka amin'ny anaran'ny tena manokana ny mpikambana, ary mitady fanapahan-kevitra iraisana foana ny Komity. Tsy mandray anjara amin'ny fandinihana ny raharaha ny solontena na ny olom-pirenen'ilay fanjakana voatsikera.
Compilation 2018, annexe I, par. 7-11🗓️
Il se réunit trois fois par an
Mivory intelo isan-taona io Komity io
Le Comité se réunit durant la semaine qui précède les sessions du Conseil d'administration, qui ont lieu en mars, juin et novembre.
Mivory mandritra ny herinandro alohan'ny fivorian'ny Filankevi-pitantanana ny Komity, izay atao isaky ny Volana Martsa, Jona ary Novambra.
Guide pratique de la liberté syndicale · Les règles du jeu🎯
Son rôle : vérifier des faits précis
Ny andraikiny: manamarina ny zava-misy marina sy mazava
Le Comité détermine si une législation ou une pratique concrète est conforme aux principes de la liberté syndicale et de la négociation collective. Il juge des allégations précises, pas des généralités sur la situation syndicale d'un pays. Sa procédure ne vise pas à blâmer les gouvernements, mais à ouvrir un dialogue tripartite pour faire respecter les droits des organisations de travailleurs et d'employeurs.
Ny Komity dia mamaritra raha mifanaraka amin'ny fenitry ny fahalalahana sendikaly sy ny fifampiraharahana iombonana ny lalàna na ny fanao manokana iray. Mitsara ireo fiampangana mazava izy, fa tsy ny zavatra ankapobeny momba ny toe-draharahan'ny sendika any amin'ny firenena. Tsy manankiana ny governemanta ny fombany, fa manokatra fifanakalozan-kevitry ny telo tonta mba hajaina ny zon'ny fikambanan'ny mpiasa sy ny mpampiasa.
Compilation 2018, annexe I, par. 13-16📬 Qui peut saisir le Comité ?
📬 Iza no afaka mitondra raharaha eo amin'ny CLS?
🏢
Les organisations, pas les individus
Ny fikambanana, fa tsy ny olon-tsotra
La plainte doit émaner d'une organisation de travailleurs ou d'employeurs (ou d'un gouvernement). Elle est recevable si elle vient d'une organisation nationale directement concernée, d'une organisation internationale ayant le statut consultatif auprès de l'OIT, ou d'une autre organisation internationale lorsque les faits touchent directement l'une de ses organisations membres. Un travailleur seul passe donc par son syndicat.
Tsy maintsy avy amin'ny fikambanan'ny mpiasa na mpampiasa (na governemanta) ny fitoriana. Ekena izy raha avy amin'ny fikambanana nasionaly voakasik'izany mivantana, fikambanana iraisam-pirenena manana toeran'ny mpanolo-tsaina eo amin'ny OIT, na fikambanana iraisam-pirenena hafa, rehefa ny fikambanana mpikambana mivantana aminy no voakasika. Noho izany dia amin'ny alalan'ny sendikany no mandeha ny mpiasa tsirairay.
Compilation 2018, annexe I, par. 31 · Guide pratique, tableau 5✅
Même un syndicat non reconnu ou dissous.
Na dia sendika tsy ekena na nofoanana aza.
Le Comité décide librement si une organisation est professionnelle au sens de la Constitution de l'OIT, sans se lier aux définitions nationales. Une plainte n'est pas irrecevable parce que l'organisation n'a pas déposé ses statuts, n'est pas reconnue officiellement, a été dissoute, ou parce que les plaignants vivent en exil. En revanche, l'organisation ne doit pas être créée pour la circonstance : il faut pouvoir lui écrire.
Ny Komity ihany no mamaritra malalaka raha fikambanana matihanina araka ny Lalàm-panorenan'ny OIT ny fikambanana iray na tsia, tsy mifehy azy ny famaritana ao amin'ny firenena. Tsy hoe tsy ekena ny fitoriana satria tsy nametraka ny lalàm-pitondrana/sata ilay fikambanana, tsy fantatry ny fanjakana ofisialy, nofoanana, na satria any ivelany ny mpitory. Kanefa tsy tokony ho natsangana noho ny toe-javatra iray ny fikambanana: tsy maintsy azo soratana foana izy.
Compilation 2018, annexe I, par. 32-36, 42📝 Conditions pour qu'une plainte soit recevable
📝 Fepetra ahafahan'ny fitoriana ho azo raisina sy ekena
Dire clairement qu'il s'agit d'une plainte devant le CLS
Lazaina mazava fa fitoriana eo anoloan'ny CLS ilay izy
La communication doit indiquer expressément qu'elle a pour objet de saisir d'une plainte le Comité de la liberté syndicale de l'OIT. De simples copies de lettres adressées à des tiers ne constituent pas une plainte.
Tsy maintsy lazaina mazava ao amin'ny taratasy fa mikasa ny hitory eo anoloan'ny Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly an'ny OIT. Tsy raisina ho fitoriana ny kopian'ny taratasy nalefa tamin'ny olon-kafa fotsiny.
Écrite et signée par un représentant habilité
Voasoratra sy voasonian'ny solontena manana fahefana hanao izany
La plainte est faite par écrit et signée par le représentant habilité de l'organisation, par exemple son président ou son directeur, et non par un assistant ou un cadre subalterne. Elle doit comporter l'adresse de l'expéditeur. Selon le Guide pratique de 2000, les courriers électroniques, qui ne peuvent pas être signés, n'étaient pas recevables : vérifiez les modalités actuelles d'envoi auprès du BIT ou de la FI.SE.MA. avant de transmettre votre dossier.
Voasoratra ary voasonian'ny solontena manana fahefana ao amin'ny fikambana ny fitoriana, ohatra ny filohany na ny talen'izy io, fa tsy ny mpanampy na mpiasa ambany. Tsy maintsy misy ny adiresin'ny mpandefa. Araka ny Torolàlana azo ampiasaina tamin'ny taona 2000, tsy ekena ny mailaka satria tsy azo asiana sonia; manontania ny BIT na ny FI.SE.MA. momba ny fomba fandefasana ankehitriny alohan'ny handefasana ny antontan-taratasinao.
Des faits précis, datés et étayés de preuves
Tranga mazava, misy daty ary misy porofo
Les allégations doivent être clairement exposées et documentées, et ne pas être de nature purement politique. Le Comité apprécie ensuite la valeur des preuves, ce qui relève du fond du dossier et non de la recevabilité.
Tsy maintsy hazavaina mazava sy asiana porofo ny fiampangana, ary tsy tokony ho politika fotsiny. Ny Komity no manombantombana ny lanjan'ny porofo, izay anisan'ny votoatin'ny raharaha fa tsy ny fanekena azy.
Recours nationaux : pas obligatoires, mais à expliquer
Ny fitoriana anatin'ny firenena: tsy hoe tsy maintsy akory, fa tokony hazavaina
Il n'est pas nécessaire d'avoir épuisé les voies de recours nationales. Si une procédure nationale existe ou a eu lieu, joignez la décision ; sinon, expliquez pourquoi elle n'offre pas de garanties suffisantes. Le Comité peut tenir compte d'une affaire en instance devant une juridiction indépendante, et une lenteur excessive de la justice peut elle-même être retenue.
Tsy hoe tsy maintsy tapitra mialoha ny fitsarana ao amin'ny firenena. Raha misy fomba ao amin'ny firenena na efa natao, ampidiro ny fanapahan-kevitra/didy; raha tsy izany, hazavao ny antony tsy manome antoka ampy ny fomba. Afaka mandinika raharaha mbola eo anoloan'ny fitsarana tsy miankina ny Komity, ary ny fitarazoana ela loatra eo amin'ny fitsarana dia azony raisina ho antony ihany koa.
🧭 Le déroulement de la procédure
🧭 Ny fizotry ny dingana arahina
1. Dépôt auprès du BIT?
1. Fametrahana fitoriana any amin'ny BIT.
La plainte est adressée à : M. le Directeur général, Bureau international du Travail, CH-1211 Genève 22 (Suisse).
Alefa any amin'ny: M. le Directeur général, Bureau international du Travail, CH-1211 Genève 22 (Soisa) ny fitoriana.
2. Accusé de réception et délai d'un mois.
2. Fanamarinana ny fandraisana sy fe-potoana iray volana
Le Directeur général informe le plaignant que toute information complémentaire doit lui parvenir dans le délai d'un mois. Passé ce délai, le Comité décide si des éléments tardifs peuvent encore être pris en compte.
Ampahafantarin'ny Tale Jeneraly ny mpitory fa tsy maintsy tonga any aminy ao anatin'ny iray volana ny fanazavana fanampiny rehetra. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia ny Komity no mamaritra raha mbola azo raisina ny fanazavana tara.
3. Transmission au gouvernement
3. Fandefasana any amin'ny governemanta
Le gouvernement mis en cause est invité à présenter ses observations. S'il tarde, des rappels lui sont adressés, et le Comité peut présenter un rapport sans attendre sa réponse. Les cas urgents (vie ou liberté de personnes, dissolution d'une organisation, état d'urgence permanent, conditions nouvelles affectant l'ensemble du mouvement syndical) sont traités en priorité.
Asaina manome ny fanamarihany ny governemanta voatsikera. Raha mitaredretra izy dia alefa ny fampahatsiarovana, ary afaka manao tatitra foana ny Komity tsy miandry ny valiny. Laharam-pahamehana ny tranga maika : (ain'olona na fahafahany, fanafoanana fikambanana, fahamehana, toe-javatra vaovao mety misy fiantraikany amin'ny hetsika sendikaly iray manontolo).
4. Examen par le Comité
4. Fandinihan'ny Komity
Le Comité examine la plainte et la réponse du gouvernement. Si leurs versions se contredisent sans preuves, il peut demander des informations écrites supplémentaires au plaignant, et le gouvernement a toujours le droit de répondre. Le plaignant est informé après chaque session de l'état de son dossier.
Mandinika ny fitoriana sy ny valin'ny governemanta ny Komity. Raha mifanipaka ny fanazavan'izy roa, sady tsy misy porofo, dia afaka mangataka fanampim-panazavana an-tsoratra amin'ny mpitory izy, ary manana ny zo hamaly foana ny governemanta. Ampahafantarina ny mpitory ny fivoaran'ny raharahany aorian'ny fivorian'ny Komity tsirairay.
5. Conclusions et recommandations
5. Fehin-kevitra sy torohevitra
Si le Comité estime qu'il y a eu violation des principes de la liberté syndicale, il établit un rapport avec des recommandations sur la manière de remédier à la situation. Le Conseil d'administration les approuve. Sinon, il recommande de ne pas donner suite à la plainte.
Raha heverin'ny Komity fa nisy ny fandikana ny fitsipiky ny fahalalahana sendikaly dia manao tatitra misy toromarika (recommandations) momba ny fomba hanitsiana ny toe-javatra izy. Ny Filankevi-pitantanana no mankatoa azy ireo. Raha tsy izany, dia manoro hevitra izy tsy hanohy ny fitoriana.
6. Suivi
6. Fanaraha-maso aorian'izany
Le gouvernement est invité à rendre compte de la mise en oeuvre des recommandations. Une mission de contacts directs peut être proposée. Si le pays a ratifié les conventions pertinentes, la Commission d'experts peut être saisie des aspects législatifs.
Asaina manao tatitra momba ny fampiharana ny toromarika ny governemanta. Afaka atolotra koa ny iraka fifandraisana mivantana. Raha nankatoa ny Fifanarahana mifandraika amin'izany ny firenena dia azo entina any amin'ny Komisiona ny manam-pahaizana ny lafiny ara-dalàna.
Il n'existe pas de délai de prescription fixé, mais il devient très difficile pour un gouvernement de répondre en détail à des faits très anciens : agissez sans attendre.
Tsy misy fe-potoana voafetra hanaovana fitoriana, kanefa sarotra be ny mamaly amin'ny antsipiriany ho an'ny governemanta raha efa ela loatra ny zava-nitranga, koa aza miandry.
🇲🇬 Madagascar et le CLS
🇲🇬 Madagasikara sy ny CLS
📂
Des cas concernant Madagascar
Tranga mahakasika an'i Madagasikara
Cinq cas concernant Madagascar figurent dans l'index de la Compilation des décisions du CLS (6e édition, 2018) : les cas n°673, 880, 2132, 2391 et 3275. Le texte complet de chaque cas est consultable sur la base de données NORMLEX de l'OIT.
Tranga dimy mahakasika an'i Madagasikara no hita ao amin'ny tondro ny Fanangonana ny fanapahan-kevitry ny CLS (fanontana faha-6, 2018): ny laharana 673, 880, 2132, 2391 ary 3275. Azo jerena ao amin'ny tahiry NORMLEX an'ny OIT ny lahatsoratra feno amin'ny tranga tsirairay.
normlex.ilo.org🧰
Préparer un dossier avec FI.SE.MA.
Manomana antontan-taratasy miaraka amin'ny FI.SE.MA.
Atteinte à la liberté syndicale, licenciement antisyndical, entrave à la négociation collective ? Contactez-nous au +261 33 11 874 14 avant d'envoyer quoi que ce soit : nous vous aiderons à rassembler les faits, les dates et les preuves.
Misy ve ny fanohintohinana ny fahalalahana sendikaly, fandroahana noho ny antony sendikaly, na sakana amin'ny fifampiraharahana iombonana? Antsoy izahay amin'ny +261 33 11 874 14 alohan'ny handefasanao zavatra: hanampy anao hanangona ny zava-misy, ny daty ary ny porofo izahay.
FI.SE.MA. · +261 33 11 874 14📚 Pour approfondir
📚 Handalina bebe kokoa ve?
📘
Les sources de cette page
Ny loharanon'ity pejy ity
La liberté syndicale : Compilation des décisions du Comité de la liberté syndicale (6e édition, OIT, 2018), notamment l'annexe I sur les procédures spéciales ; Guide pratique de la liberté syndicale (D. Tajgman et K. Curtis, OIT, 2000) ; Les règles du jeu (OIT, 2019). Ces textes peuvent avoir évolué : vérifiez les règles en vigueur auprès du BIT avant tout dépôt.
Ny fahalalahana sendikaly: Fanangonana ny fanapahan-kevitry ny Komity momba ny Fahalalahana Sendikaly (fanontana faha-6, OIT, 2018), indrindra ny lohateny I momba ny fomba manokana; Torolàlana azo ampiasaina momba ny fahalalahana sendikaly (D. Tajgman sy K. Curtis, OIT, 2000); Les règles du jeu (OIT, 2019). Mety niova ireo lahatsoratra ireo: hamarino amin'ny BIT ny lalàna manan-kery alohan'ny handefasana.
OIT📘
Retour au guide
Miverina amin'ny torolàlana
Les normes internationales du travail, leur contrôle et les conventions ratifiées par Madagascar.
Ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa, ny fanaraha-maso azy ary ny Fifanarahana nankatoavin'i Madagasikara.
→ Guide sur les N.I.TTorolàlana momba ny N.I.TMety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!
Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.
Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.