FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

Inona no atao hoe SENDIKA?

Betsaka ny mpiasa no misalasala amin’ny fidirana sendika sy tsy mahafantatra tsara ny atao hoe SENDIKA.

Misy mihevitra fa mpisolo vava ny mpiasa eny amin’ny tribonaly izy.

Na koa mihevitra azy ho ray aman-dreny itarainana sy idodododoana fotsiny ihany koa rehefa misy ny zava-manahirana,

Misy ampahany marina ireo famaritana ireo raha ny asa ataon’ny sendika no resahina.  Fa ny atao hoe SENDIKA dia FIKAMBANANA natsangan’ny mpiasa iray asa, iray trano fiasàna, iray faritra, iray firenena, ENY MANERAN-TANY MIHITSY natao hiarovana sy hampivoarana ny asa, ny zo maha-olona sy maha-mpiasa, ny karama ary ny fahefa-mividy.

Izany hoe, IZAHO SY IANAO MPIASA, MIARA-MANANGANA FIKAMBANANA NATAO HIAROVANA NY ZO SY NY TOMBONTSOA-NTSIKA, NO ATAO HOE SENDIKA. Koa raha tsy nisy izaho sy ianao nanao izany dia tsy nisy izany io sendika io. Ary raha sanatria tsy misy ny sendika dia maro ny zo fototra antsika mpiasa no tsy voahaja na zara fa voajery.

TOMPON’ANDRAIKITRA MIARAKA ISIKA  MPIASA REHETRA.

Ny sendika no hany fikambanan’ny mpiasa manan-jo sy nametrahana andraikitra hitondra ny feony, hisolo tena ary hiaro azy. Ary ny fisiany dia  eken’ny Fifanarahana iraisam-pirenena an’ny Fandaminana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) laharana faha-87 sy faha-98 izay nankatoavin’ny Fanjakana Malagasy.

Ireo Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Asa laharana faha-87 sy faha-98 ireo no miantoka sy miaro antsika mpiasa hanana zo hanangana sy hiditra amin’ny sendika izay tiany hidirana manerana an’I Madagasikara. Izao ny anisan’ny voalaza ao :

·  Ny mpiasa dia manan-jo, tsy ilàna fahazoan-dalàna mialoha, hanangana fikambanana araka ny safidiny  

·  Ny fandaminana sendikaly dia tsy azo foanana na aato amin’ny alalana didim-pitondrana.

·  Ny fandaminan’ny mpiasa dia manana zo hanangana fivondronana sy fivondronam-be izay afaka ihany koa miditra amina fikambanana iraisam-pirenena.

MIDIRA SENDIKA !

Ankoatr’ireo, ny sendika dia miantoka ny mpikambana ao aminy amin’ny:

Ho an’ny Tanora :

KOA MIDIRA SENDIKA, MIDIRA FI.SE.MA.

MIANTSOA AN-TELEFONINA NA MANDEFASA MAILAKA