FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

FILAZANA

Ny Birao Foibe Nasionaly FI.SE.MA. dia manao izao FILAZANA izao ho an’ny be sy ny maro, indrindra ny mpikambana, ny mpiasa, ny tompon’andraikitry ny orinasa ary ny vondron’ny mpampiasa tsy an-kanavaka :

Misy mpisandoka, lany henatra, misora-tena amin’ny alalan’ny haino aman-jery ho Sekretera Jeneraly sy tompon’andraikitry ny Foibe Sendikaly FI.SE.M.A  

Koa, ampatsiahivina sy amafisina etoana eto indray fa:

Ny taratasy tsy mahafeno ireo fepetra ireo dia tsy ofisialy, noho izany dia tsy manankery ary tsy mampiditra andraikitra ny Foibe Sendikaly FI.SE.MA..

Natao izao FILAZANA izao ho fisorohana ny fahavoazana sy fisolokiana mbola mety hitranga eny amin’ny orinasa amin’izao fotoana fifidianana Solontenan’ny Mpiasa izao.

                               Antananarivo, faha-18 FEBROARY 2020

                                Amin’ny Anaran’ny Birao Foibe

                                Ny Sekretera Jeneraly Lefitra                                     Ny Sekretera Jeneraly

                                             Jean Gualbert RAVONJISON                                        JOSE B. RANDRIANASOLO