Atsaharo ny fanaovana tantely afa-drakotra ny latsakemboka arotsaka ao amin’ny CNAPS

Immeuble de la CNaPS à Ampefiloha

Manoloana ireo tranga maro samihafa izay mahavoarohirohy ny mpitantana ambony sy ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana ao amin’ny  Caisse Nationale de Prévoyance Sociale – CNAPS – mikasika ny fanodikondinam-bola, ny resaka kolikoly, ny tsy fanarahan-dalàna sy ny tandrevaka amin’ny fikajiana sy ny fiambenana ny fampiasana ny latsakemboka hiantohana ny Fiahiana Sosialy,

Ankoatry ny adi-hevitra sy fifanasana vangy eo amin’ny tambazotra sosialy, izao tranga izao izay mampibaribary ny lesoka eo amin’ny fehezan-dalàna mihefy ny Fiahiana Sosialy ny mpiasa, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny latsakemboky ny mpampiasa sy ny mpiasa ho fiantohana ny fiahiana sosialy ny mpiasa;

Ny Birao Foiben’ny Firaisan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Madagasikara (FI.SE.MA.) dia maneho ny alahelony sy ny ahiahiny ny amin’ny hoavin’ny fiahiana sosialin’ireo mpiasa Malagasy manerana ny Nosy ary mahatsapa ihany koa fa misy  lesoka goavana  eo amin’ny lalàna mihefy ny Fiahiana Sosialy izay efa tena nilaozan’ny toetrandro tokoa ka mila fanavaozana farany izay haingana.

Noho izany rehetra izany sy taorian’ny fandalinana nataony, ny Birao Foibe FISEMA –dia:

  • Manameloka tanteraka ny fanodikodinam-bola amin’ny endriny rehetra sy fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny tahiry ho amin’ny fiahiana sosialy ny mpiasa;
  • Manameloka ihany koa ny tsy fanarahana sy ny tsy fanajana an-tsakany sy an-davany ny lalana mihefy ny Fiahiana sosialy ny Mpiasa;
  • Mangataka ny fitsarana mahefa handray ny fepetra sy ny sazy henjana hoan’ireo tompon’andraikitra rehetra tafiditra amin’izao fanodikodinam-bola sy kolikoly izao;
  • Manao antso amin’ireo Ministera mpiahy handray ny andraikiny manoloana izao tranga izao ary hamerina ny fampanajana ny lalana amin’ny lafiny fitantanan’draharaha ao anatiny;
  • Manantitra hatrany fa vola manan-tompo ny vola arotsaka ao amin’ny CNAPS fa tsy volam-panjakana toy ny hetra akory ka hataon’ny Fitondrana amin’izay tiany hanaovany azy; manamafy hatrany ny fanamarihana nataony tamin’ny 25 JANOARY 2020 momba ny volan’ny CNAPS sy ny “Fonds Souverains”;
  • Mampatsiahy hatrany ny mahamaika sy ny mahalaharam-pahamehana ny fanavaozana ny Sata mifehy ny CNAPS sy ny lalàna momba ny Fiahiana Sosialy amin’ny ankapobeny;
  • Miombon-kevitra amin’ny Partenaires Sociaux  (GEM – FIVMPAMA – CTM)  amin’ny fametrahana Mpitantana Vonjimaika (Administrateurs Provisoires) ka  misy ny solontenan’ny mpandoa latsakemboka; ka ny Sendika mahafeno ny fepetran’ny fisoloantena no tokony ho amin’izany.        

Antananarivo, faha-22 MARTSA 2022

Amin’ny Anaran’ny Birao Foibe

Ny Sekretera Jeneraly Lefitra                                                   Ny Sekretera Jeneraly.

                      JEAN GUALBERT RAVONJISON                                            JOSE   RANDRIANASOLO