FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

TARI-DALANA MOMBA IREO FENITRA IRAISAM-PIRENENA FOTOTRA MOMBA NY ASA

Ny FANDAMINANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA ASA na ny ORGANISATION INTERNATIONALE DU TRAVAIL dia nanondro FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA VALO izay lazaina hoe FOTOTRA eo amin’ny asa. Izany no natao dia mba ho fanajana ny ZO FOTOTRA ny maha-olona sy ny ZO maha-piasa. Ho vakianao ao anatin’ity TOROLALANA ity ny antsipirian’ireo Fenitra Iraisam-pirenena Fototra momba ny ASA ireo.