FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI

TARI-DALANA MOMBA IREO FENITRA IRAISAM-PIRENENA FOTOTRA MOMBA NY ASA

Ny FANDAMINANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA ASA na ny ORGANISATION INTERNATIONALE DU TRAVAIL dia nanondro FIFANARAHANA IRAISAM-PIRENENA VALO izay lazaina hoe FOTOTRA eo amin’ny asa. Izany no natao dia mba ho fanajana ny ZO FOTOTRA ny maha-olona sy ny ZO maha-piasa. Ho vakianao ao anatin’ity TOROLALANA ity ny antsipirian’ireo Fenitra Iraisam-pirenena Fototra momba ny ASA ireo.

 

TARI-DALANA MOMBA NY FIFANDRAISANA ISAM-BATAN’OLONA EO AMIN’NY ASA

Ity TARI-LALANA MOMBA NY FIFANDRAISANA ISAM-BATAN’OLONA EO AMIN’NY ASA  ity dia mitondra fanazavana momba ireo tsara ho fantatra momba ny fifandraisan’ny mpampiasa sy ny mpiasa, araka ny voalazan’ny Lalana 2003-44 mahakasika ny FEHEZAN-DALANA MOMBA NY ASA .