Manoloana ny toe-draharaha lalovan’ny Firenena ankehitriny, ny BIRAO FOIBE SY NY FILAN-KEVITRA
SENDIKALY izay niara-nivory omaly Voalohan’ny volana Oktobra 2025, dia manao izao fanambarana izao:
- Mazava ireo tatitra samihafa – na avy eto an-toerana na avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary
voaporofon’ny fiainan’ny mponina andavanandro izany – fa marefo ny toe-karena Malagasy, mitontogana
ny lafiny sosialy hany ka mihafadiranovana ny vahoaka. Mitombo isa hatrany ireo tanora tonga taona
iantsehatra amin’ny asa kanefa tsy mahita. Ny ampahany betsaka amin’ireo mba manana asa moa dia
tsizarizary na tsy mahavelona tokantrano akory ny karamany. Re ombieny ombieny ny tsy fanajana ny
zon’ny mpiasa eo amin’ny sehatra samihafa, indrindra ireo any amin’ny faritra “lavitr’andriana”. Feno
kolikoly ireo ambaratongam-pahefana maro ary betsaka ny manampatra ny fahefana eo am-pelatanany ho
amin’ny tsy rariny sy ho tombotsoan’ny tenany manokana. Mijaly rano sy jiro, izay fototry ny aina sy ny
fihariana, ny vahoaka maro an’isa. Manana harena voajanahary samihafa ny Firenena kanefa tsy zarizary
ny fitantanana ka ampahan’olom-bitsy no manao ampihimamba ny harem-pirenena. - Eo anatrehan’izany dia tonga amin’ny kihon-dalana manahirana sy saro-pady ny Firenena amin’izao
fotoana izao, noho ny tsy fisian’ny fifanantonana hitadiavam-bahaolana mitombina sy maharitra sy ny
fitarazoan’ny famaliana ireo fitakiana maro hisitrahana ireo zo fototra maha-olona. Vokany: mikatso ny
asam-piharian’ny olona an-tapitrisany izay “ny hoanina androany tadiavina androany” ; ao anatin’izany ny
mpiasa – na mpikarama izy na mpiasa tena; - ny FISEMA dia manameloka ny fandrobana sy fanimbana fananan’olona ataon’ny mpanararaotra.
- Manamafy hatrany fa tsy vahaolana ary tsy hitondra fitoniana velively ny fampiasan-kery diso tahafoatra sy
ny fanaovana hazalambo ireo mpanao fihetsiketsehana, ho famerenana amin’ny laoniny sy ho fitandroana
ny filaminam-bahoaka ary ho fiarovana ny olona sy ny fananany, araka izay hita eto an-drenivohitra ka efa
nanaovan’ireo Masoivoho maro sy Fandaminana Iraisam-pirenena fanamarihana; - Tsy vahaolana ihany koa ny fanaovana fitaovana ireo tanora, izay mitaky amin-kitsim-po ny “hoavy
tsaratsara kokoa sy maha-velom-bolo” ho fiarovana sy ho fitadiavana fahefa-panjakana; - Manantitra fa ny hany lalan-tokana izorana ho amin’ny fitoniana sy ny fitadiavam-bahaolana dia ny
FIFAMPIDINIHINA ihany fa tsy jadona na fiziriziriana, araka ny fitenin-drazana hoe : “TOKO TAPAKA,
VILANY MITONGILANA, IZAY TSY METY ARENINA”. Izany fifampidinihina izany dia tokony handraisan’ny
HERY VELONA isan-tsokajiny anjara, ka tarihin’ireo olon-kendry sy manam-panahy ary to teny eto amin’ny
Firenena toy ireo mpikambana ao amin’ny AKADEMIA MALAGASY ohatra, izay sady olona tsongoin’olombolo
eo amin’ny fiaraha-monina no manana fahaizana sy traikefa amin’ny sehatra maro; - Ho fanajana ny zo hitokona sy handray anjara amin’ny fiainam-pirenena, ny mpikambana FI.SE.MA. dia
malalaka, araka ny safidiny, amin’izay heveriny ho adidiny sy ho zony amin’ny raharaham-pirenena. Tsy
mitonona amin’ny maha-FISEMA azy anefa izy amin’izany, ho fitandroana ny fahasamihafana sy ny
firaisankina sendikaly ato anatin’ny FI.SE.MA.
Antananarivo, faha-02 OKTOBRA 2025
Amin’ny anaran’ny FI.SE.MA
NY BIRAO FOIBE SY NY FILAN-KEVITRA SENDIKALY