FILAZANA

Classé dans : ACTUALITES | 0

Ny Birao Foibe Nasionaly FI.SE.MA. dia manao izao FILAZANA izao ho an’ny be sy ny maro, indrindra ny mpikambana, ny mpiasa, ny tompon’andraikitry ny orinasa ary ny vondron’ny mpampiasa tsy an-kanavaka :

Misy mpisandoka, lany henatra, misora-tena amin’ny alalan’ny haino aman-jery ho Sekretera Jeneraly sy tompon’andraikitry ny Foibe Sendikaly FI.SE.M.A  

Koa, ampatsiahivina sy amafisina etoana eto indray fa:

  • Araka ny voka-pidifianana natao nandritry ny Kongresy faha-10 ny FI.SE.MA. izay natao teto Antana-narivo ny faha-18 sy ny 19 Jona 2019 dia ireto olona voalaza anarana manaraka ireto no miandraikitra ny fitantanana ny Foibe Sendikaly FI.SE.MA. mandritry ny 5 taona: 
  • JOSE BERTIN RANDRIANASOLO                          SEKRETERA JENERALY
  • JEAN GUALBERT RAVONJISON                            SEKRETERA JENERALY LEFITRA
  • RAMBELO JAONA RAZAFIMBALO                         SEKRETERA MISAHANA NY VOLA
  • HERITIANA RANDRIAMIHAMINA                         SEKRETERA MISAHANA NY KAONTY
  • PIERRETTE MARIE FRANCE  RAHARILALAO          SEKRETERA MISAHANA NY FANENTANANA
  • RAFALIMANANA                                                SEKRETERA MISAHANA NY SERASERA
  • JOIADA MANDIMBY ANDRIAMAHAZO                  SEKRETERA MISAHANA NY FANABEAZANA
  • SAOTRA ANDRIAHASINORO JEAN EMILE             SEKRETERA MISAHANA NY FIARAHA-MIASA
  • TSIRY HARINAJA RAFITOSON                             SEKRETERA MISAHANA NY LALANA
  • Ny taratasy ofisialin’ny FI.SE.MA. dia tsy  maintsy misy ny sonia roa: dia ny an’ny Sekretera Jeneraly sy ny an’ny Sekretera Jeneraly Lefitra na ny iray amin’ireo miampy ny an’ny sekretera iray, raha misy antony mety  tsy ahafahan’iray amin’izy ireo.

Ny taratasy tsy mahafeno ireo fepetra ireo dia tsy ofisialy, noho izany dia tsy manankery ary tsy mampiditra andraikitra ny Foibe Sendikaly FI.SE.MA..

Natao izao FILAZANA izao ho fisorohana ny fahavoazana sy fisolokiana mbola mety hitranga eny amin’ny orinasa amin’izao fotoana fifidianana Solontenan’ny Mpiasa izao.

                               Antananarivo, faha-18 FEBROARY 2020

                                Amin’ny Anaran’ny Birao Foibe

                                Ny Sekretera Jeneraly Lefitra                                     Ny Sekretera Jeneraly

                                             Jean Gualbert RAVONJISON                                        JOSE B. RANDRIANASOLO