FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Fiches pratiques
📚 Fiche pratique · Torolàlana
⚖️
Inspection du Travail & recours
Fitsirihana ny Asa & fitarainana
Contrôle, conseil, conciliation — comment saisir l'Inspection du Travail et défendre vos droits.
Fanaraha-maso, torohevitra, fanelanelanana — ahoana ny fomba fitarainana eny amin'ny Fitsirihana ny Asa sy hiarovana ny zonao.
Art. 305-325 — Loi n°2024-014

⚖️ Les 3 missions de l'Inspection du Travail

⚖️ Ireo Andraikitra telo (3) ny Fitsirihana ny Asa

🔍
Contrôle
Fanaraha-maso
Vérifie le respect du Code du travail dans les entreprises : contrats, salaires, horaires, sécurité, hygiène. Peut accéder à tout établissement sans préavis.
Manamarina ny fanajana ny Fehezan-dalàna mifehy ny Asa ao amin'ny orinasa : fifanekena arak'asa, karama, ora fiasana, fiarovana, fahadiovana. Afaka miditra any amin'ny toeram-piasana rehetra tsy mila fampandrenesana mialoha.
And. 305-315 — Lalàna 2024-014
💡
Conseil
Torohevitra
Informe et conseille gratuitement les employeurs et les travailleurs sur leurs droits et obligations. Service public gratuit accessible à tous.
Mampahafantatra sy manome torohevitra maimaimpoana ny mpampiasa sy ny mpiasa momba ny zo sy ny andraikiny avy. Sampan-draharaha ho an'ny rehetra, maimaimpoana ary azon'ny rehetra hatonina.
And. 316 — Lalàna 2024-014
🤝
Conciliation obligatoire
Fanelanelanana/Fampihavana mialoha — tsy maintsy hatao
Avant tout recours au Tribunal du Travail, la tentative de conciliation devant l'Inspection est obligatoire. Gratuit, rapide et souvent efficace.
Mialoha ny fitondrana ny raaharaha rehetra eny amin'ny Fitsarana misahana ny Asa, tsy maintsy hatao ny ezaka fampihavanana eo anatrehan'ny Fitsirihana ny Asa. Maimaimpoana, haingana ary matetika mahomby.
And. 318-325 — Lalàna 2024-014
📝 Comment saisir l'Inspection du Travail
📝 Ahoana ny fomba fitarainana any amin'ny Fitsirihana ny Asa
Identifier l'Inspection compétente
Fantaro ny Fitsirihina ny Asa mahefa
L'Inspection du Travail compétente est celle du lieu d'exécution du contrat de travail. À Antananarivo : ITLS Analamanga, Antsahavola.
Ny Fitsirihana ny Asa mahefa dia ilay ao amin'ny toerana fanatanterahana ny fifanarahana arak'asa. Antananarivo : ITLS Analamanga, Antsahavola.
Déposer une plainte écrite
Mametraha fitarainana an-tsoratra
Rédigez une lettre exposant les faits avec dates, preuves jointes (bulletins de paie, contrat, messages). Déposez en double exemplaire. Conservez le récépissé.
Soraty ny taratasy fitarainanao manazava ny zava-nisy miaraka amin'ny daty, porofo atolotra (taratasy fandoavan-karama, fifanarahana, hafatra). Ataovy dika roa mitovy ary voasonia. Tehirizo ny taratasy manamarina ny naharaisany azy (Accusé de réception).
Séance de conciliation
Ny fanelanelanana/fampihavanana
L'inspecteur convoque les deux parties dans les 15 jours. Si accord trouvé, procès-verbal signé. Si échec, l'affaire est renvoyée au Tribunal du Travail.
Ny Mpitsirika ny Asa dia mampiantso ny andaniny roa ao anatin'ny 15 andro. Raha tratra ny fifanarahana, soniavina ny firaketana ofisialy (procès-verbal). Raha tsy tanteraka, alefa eny amin'ny Fitsarana misahana ny Asa ny raharaha.

Mety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!

Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.

Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.