← Fiches pratiques📚 Fiche pratique · Torolàlana
🌙
Travail de nuit & conditions spéciales
Asa alina & fepetra manokana
22h-5h. Majoration obligatoire. Interdit aux femmes enceintes dès 16 semaines et aux moins de 18 ans.
22h-5h. Fanampin-karama. Voarara ho an'ny vehivavy bevohoka manomboka ny faha-16 herinandro sy ny mpiasa latsaky ny 18 taona.
Art. 117-122 — Loi n°2024-014 ⚠️ Définition légale : 22h00 à 05h00
⚠️ Famaritana voalazan'ny lalàna : 22h00 ka hatramin'ny 05h00
Est considéré comme TRAVAIL DE NUIT tout travail effectué entre 22h et 5h du matin. Des règles spécifiques protègent les travailleurs de nuit.
Atao hoe ASA ALINA ny asa rehetra natao teo anelanelan'ny 22 ora sy ny 5 ora maraina. Misy fitsipika manokana miaro ny mpiasa miasa amin'izany fotoana izany.
🌙 Droits des travailleurs de nuit.
🌙 Zon'ny mpiasa miasa alina.
💰
Majoration obligatoire.
Tsy maintsy misy Fanampin-karama.
Le taux de majoration pour le travail de nuit est fixé par décret ou convention collective. L'employeur ne peut pas y déroger sans accord des travailleurs.
Ny tahan'ny fanampin-karama ho an'ny asa alina dia voafaritry ny Didim-panjakana na ny fifanarahana iombonana. Ny mpampiasa dia tsy mahazo mivily amin'izany raha tsy misy fifanarahana avy amin'ny mpiasa.
And. 117 — Lalàna 2024-014🩺
Surveillance médicale renforcée.
Nohamafisina ny Fanaraha-maso ara-pahasalamana.
Visite médicale obligatoire avant affectation au travail de nuit et tous les 6 mois. Si le médecin constate une contre-indication, l'employeur doit vous réaffecter en journée.
Tsy maintsy misy ny Fizahana ara-pahasalamana mialoha ny fanendrena hanao asa alina, ary atao isaky (6) enim--bolana izany. Raha hitan'ny dokotera fa tsy mety ny toetry ny fahasalamana, ny mpampiasa dia tsy maintsy mamerina ny mpiasa amin'ny asa atao amin'ny antoandro.
And. 119 — Lalàna 2024-014🏛️
Consultation du Comité d'entreprise obligatoire.
Tsy maintsy misy ny Fakan-kevitry ny Komitin'ny Orinasa.
L'employeur doit consulter le comité d'entreprise avant de mettre en place ou de modifier le travail de nuit. Les délégués du personnel peuvent s'y opposer.
Ny mpampiasa dia tsy maintsy maka ny hevitry ny Komitin'ny Orinasa mialoha ny fampidirana na fanovana ny asa alina. Ny solontenan'ny mpiasa dia mahazo manohitra ny fanapahan-kevitra toy izany.
And. 120 — Lalàna 2024-014🚫 Interdictions absolues.
🚫 Fandrarana tanteraka voalazan'ny lalàna.
🤰
Femmes enceintes dès 16 semaines.
Vehivavy bevohoka manomboka ny faha-16 herinandro.
Interdit absolu d'affecter au travail de nuit une femme enceinte de 16 semaines ou plus. Elle doit être réaffectée en journée sans perte de salaire.
Voarara tanteraka ny fanendrena amin'ny asa alina ny vehivavy bevohoka 16 herinandro sy mihoatra. Tsy maintsy averina amin'ny asa antoandro izy, tsy misy fanafoanan'ny karama.
And. 121 — Lalàna 2024-014👦
Moins de 18 ans — interdit total.
Voarara tanteraka ho an'ny mpiasa tanora tsy mbola feno 18 taona.
Aucun travailleur de moins de 18 ans ne peut travailler entre 22h et 5h. Infraction grave sanctionnée pénalement pour l'employeur.
Tsy misy mpiasa tanora latsaky ny 18 taona mahazo miasa eo anelanelan'ny 22 ora sy ny 5 ora maraina. Fandikan-dalàna mavesatra izany ka ny mpampiasa voakasika dia mety iharan'ny sazy.
And. 122 — Lalàna 2024-014Mety tsy lavorary tanteraka ny dikan-teny Malagasy ka ialana tsiny mialoha. Eo am-panitsiana izany ny tompon'andraikitra. Mankasitraka feno anao amin'ny fandeferana!
Des questions ? Le JurisBot vous répond.Manana fanontaniana ? Hamaly anao ny JurisBot.
Posez vos questions juridiques en français ou en malagasy — réponse immédiate basée sur la Loi 2024-014.Manontania ara-dalàna amin'ny teny frantsay na malagasy — valiny avy hatrany mifototra amin'ny Lalàna 2024-014.