FI.SE.MA. — Confédération Générale des Syndicats des Travailleurs de Madagascar
🇲🇬 Firaisan'ny Sendikan'ny Mpiasa eto Madagasikara — Affiliée à la CSI
← Ny sehatra misy anao
👤 Profil travailleur · Mpiasa
🏛️ Fonctionnaires & agents de l'État
🏛️ Mpiasam-panjakana & mpiandraharaha
Statut général, retraite CRCM, délégués du personnel : vos droits dans la fonction publique.
Lalàna ankapobe, fisotroan-dronono CRCM, solontenan'ny mpiasa : ny zonao any amin'ny raharaham-panjakana.

ℹ️ Texte de référence.

ℹ️ Lalàna ifaharana.

Les fonctionnaires titulaires de l'État malgache sont régis par la Loi n° 2003-011 du 3 septembre 2003 portant Statut Général des Fonctionnaires (abrogeant l'Ord. n° 93-019 du 30 avril 1993). Ils sont exclus du champ d'application du Code du Travail. Ny mpiasam-panjakana raikitra eto Madagasikara dia mifototra amin'ny Lalàna n° 2003-011 tamin'ny 3 Septambra 2003 — Lalàna Ankapobe mifehy ny Mpiasam-panjakana. Tsy voakasik'ny Fehezan-dalàna momba ny Asa izy ireo.

📜 Statut & droits fondamentaux
Lalàna ankapobe & zo fototra
📋
Qui est fonctionnaire ?
Iza no mpiasam-panjakana ?
Est fonctionnaire toute personne nommée dans un emploi permanent et titularisée dans un grade de la hiérarchie des corps de l'État. Il existe 4 cadres (A, B, C, D) avec 2 à 4 échelles par cadre, chaque corps comprenant 4 classes : 2ème classe, 1ère classe, principalat et classe exceptionnelle.
Mpiasam-panjakana ny olona voatendry ho amin'ny asa maharitra ary noraiketina ao amin'ny sokajin'ny mpiasam-panjakana. Misy sokajy 4 (A, B, C, D), tsirairay manana kilasy 4 : kilasy faharoa, kilasy voalohany, principalat, ary kilasy manokana.
Art. 1 & 3 — Loi 2003-011
🛡️
Protection contre la discrimination
Fiarovana amin'ny fanavakavahana
Aucune discrimination n'est tolérée fondée sur le sexe, la religion, l'opinion, l'origine, la parenté, la fortune, la conviction politique ou l'appartenance syndicale. La protection s'étend au fonctionnaire, à son conjoint, à ses enfants et à ses biens.
Tsy ekena ny fanavakavahana amin'ny maha-lahy na maha-vavy, fivavahana, hevitra, fiaviana, havana, harena, firehana ara-politika, na fidirana amin'ny sendika. Ny fiarovana dia mahakasika ny mpiasam-panjakana, ny vadiny, ny zanany, ary ny fananany.
Art. 5 & 6 — Loi 2003-011
✊
Droit syndical & droit de grève
Zo sendikaly & zo hitokona
Les fonctionnaires ont le droit de créer des syndicats, d'y adhérer et de les défendre en justice. Le droit de grève est reconnu pour la défense des intérêts professionnels collectifs, sous réserve d'un préavis obligatoire de 48 heures.
Manana zo hamorona sendika, hiditra ao aminy, ary hiaro izany eo amin'ny fitsarana ny mpiasam-panjakana. Ekena ny zo hitokona ho fiarovana ny tombontsoan'ny mpiasa amin'ny ankapobeny, ao anatin'ny fampandrenesana 48 ora mialoha.
Art. 9 & 11 — Loi 2003-011
🎓
Droit à la formation professionnelle
Zo amin'ny fiofanana
Tout fonctionnaire a droit à une formation professionnelle continue, au perfectionnement et à la spécialisation dans l'exercice de ses fonctions. Les formations en cours d'emploi sont assimilées à l'activité de service.
Manana zo amin'ny fampiofanana mitohy, fanatsarana ny fahaiza-manao, ary hanana spécialisation ny mpiasam-panjakana tsirairay. Ny fampiofanana mandritra ny fiasana dia itovizana amin'ny fanaovana asa ihany.
Art. 24 & 63 — Loi 2003-011
🏅 Recrutement & carrière
Fandraisana & fizotran'ny asa
Conditions de recrutement
Fepetra handraisana ho mpiasam-panjakana.
Être de nationalité malgache, jouir de ses droits civiques, être reconnu apte physiquement et avoir entre 18 et 45 ans lors du recrutement. Le recrutement se fait par concours direct, concours professionnel, sur titre ou par intégration.
Teratany Malagasy, mizaka ny zo sivily feno, fantatra fa salama ara-batana, ary manana taona 18 ka hatramin'ny 45 taona. Ny fandraisana ho mpiasam-panjakana dia atao amin'ny fifaninana mivantana, fifaninanana arak'asa, amin'ny taratasy, na amin'ny fampidirana.
Art. 17 & 18 — Loi 2003-011
Stage probatoire d'un an
Fitsapana asa mandritry herintaona.
Tout agent nouvellement recruté accomplit un stage probatoire d'un an avant sa titularisation. À l'issue du stage, il est soit titularisé, soit licencié, soit maintenu en stage (prolongation exceptionnelle).
Ny mpiasa vao noraisina dia tsy maintsy manao asa fitsapana mandritry ny herintaona mialoha ny fandraiketana azy. Rehefa vita ny fitsapana dia na raiketina izy, na esorina, na avela hanohy ny fitsapana.
Art. 22 — Loi 2003-011
Notation annuelle & avancement d'échelon
Fitsarana/fanombanana isan-taona sy fisondrotana.
Chaque année, tout fonctionnaire en activité reçoit une note chiffrée exprimant sa valeur professionnelle. L'avancement d'échelon est automatique après 2 ans d'ancienneté. L'avancement de classe, au mérite, intervient après 3 ans et inscription au tableau d'avancement.
Isantaona, ny mpiasam-panjakana tsirairay dia mahazo naoty manambara ny kalitaon'ny asany. Ny fisondrotana ambaratonga dia mandeha hoazy rehefa nahavita 2 taona (fahaelana). Ny fisondrotana kilasy, amin'ny alalan'ny fahaizana, dia aorian'ny 3 taona niasana ary voasoratra ao amin'ireo mendrika hisitraka fisondrotana.
Art. 42, 47 & 48 — Loi 2003-011
Positions réglementaires
Karazana filaharana ara-pitsipika.
Un fonctionnaire peut être placé dans 5 positions : activité (position normale), détachement (autre administration, droits avancement et retraite maintenus), hors-cadre (organisme public non standard, avancement maintenu mais pas retraite), sous le drapeau (service militaire), disponibilité (suspension temporaire — perte avancement et retraite).
Misy tranga 5 azo ametrahana ny mpiasam-panjakana : am-perinasa, détachement (ny zo fisondrotana sy fisotroan-dronono dia voarakitra), hors-cadre (ny fisondrotana dia voarakitra fa tsy ny fisotroan-dronono), ao ambanin'ny faneva (fanompoana miaramila), fisintahana vonjimaika (very ny zo fisondrotana sy fisotroan-dronono).
Art. 61-70 — Loi 2003-011
💰 Rémunération & avantages sociaux
💰 Karama & tombontsoa sosialy
💵
Composantes de la rémunération
Singa mandrafitra ny karama
La rémunération comprend : traitement indiciaire de base, indemnité d'éloignement, prestations familiales, indemnité de transport, indemnité de scolarisation, et primes de performance ou de mérite (introduites par la Loi 2003-011).
Ny karama dia ahitana : karama fototra arakaraka ny ambaratonga, tamby noho fahalavirana, fanampiana fianakaviana, tamby amin'ny fitaterana, tamby amin'ny fampianaran-jaza, ary tambin-karama noho fahamendrehana sy fahaizana (nampidirina tamin'ny Lalàna 2003-011).
Art. 27 — Loi 2003-011
🏠
Logement & frais médicaux
Trano sy fitsaboana
L'État fournit un logement administratif ou une indemnité de logement. Les frais médicaux et d'hospitalisation dans les formations sanitaires publiques sont pris en charge en totalité par l'Administration, y compris pour le conjoint et les enfants à charge.
Manome trano honenana ny Fanjakana na tamby mifanaraka amin'izany. Ny fandaniana ara-pitsaboana sy fidirana hopitaly ao amin'ny tobim-pahasalamana an'ny fanjakana dia raisin'ny fanjakana an-tanana tanteraka, ao anatiny ny vady sy ny zanaka sahanina.
Art. 29 & 36 — Loi 2003-011
⚕️
Accident de service
Loza mandritra ny fiasana
En cas d'accident survenu dans l'exercice des fonctions, le fonctionnaire bénéficie d'une indemnité définitive et irrévocable fixée par la Commission de Réforme. L'État prend en charge les soins et la réadaptation.
Raha misy loza mandritra ny fanatanterahana ny asa, ny mpiasam-panjakana dia mahazo tamby voafaritra ary tsy azo esorina, voafaritry ny Vaomiera misahana ny Fanavaozana. Ny fanjakana no manao ny saram-pitsaboana sy ny famerenana amin'ny laoniny.
Art. 8 — Loi 2003-011
🕊️
Décès en service
Fahafatesana am-perinasa
En cas de décès, les ayants droit perçoivent un secours-décès équivalent à 12 mois de solde, une pension de veuvage et une pension d'orphelinat. Les frais de transport de la dépouille et de la famille sont à la charge de l'État.
Raha sanatria misy fahafatesana am-perinasa, ny mpandova dia mahazo fanampiana mitovy amin'ny karama 12 volana, pension ho an'ny mananontena sy ny zanaka kamboty. Ny saram-pitaterana ny fatin'ny mpiasam-panjakana sy ny fianakaviany dia raisin'ny Fanjakana an-tanana.
Art. 37 — Loi 2003-011
🏖️ Congés & absences
Fialan-tsasatra & tsy fahatongavana miasa
📅
Congé annuel
Fialan-tsasatra isantaona
Le congé est un droit inviolable et imprescriptible, cumulable d'une année sur l'autre. Il est de 2,5 jours par mois de service effectif. L'agent optant pour un congé cumulé bénéficie d'une permission de 20 jours. Si le congé n'a pas pu être pris pour nécessité de service, l'Administration doit verser une indemnité compensatrice.
Ny fialan-tsasatra dia zo tsy azo fongorana ary tsy maty paikandro, azo atambatra amin'ny taona manaraka. Andro 2,5 isam-bolana tokana no anjarany. Ny mpiasa misafidy fialan-tsasatra mitambatra dia mahazo PERMISSION 20 andro. Raha tsy afaka naka ny fialan-tsasatra noho ny filàna amin'ny asa, ny Fanjakana dia tsy maintsy manonitra.
Art. 64 — Loi 2003-011
🍼
Congés spéciaux
Fialan-tsasatra manokana
Congé de maternité : 3 mois. Congé de paternité : 15 jours. Congé de maladie : sur présentation d'un certificat médical. Autorisation d'absence spéciale en cas d'hospitalisation du conjoint ou d'un enfant à charge.
Fialan-tsasatra @ fiterahana : 3 volana. Fialan-tsasatra ho an'ny ray : 15 andro. Fialan-tsasatra noho ny aretina : miaraka amin'ny taratasy fanamarinana avy amin'ny dokotera. Fahafahana manokana tsy hiasa raha misy fidiran'ny vady na ny zanaka sahanina hopitaly.
Art. 65 — Loi 2003-011
⚖️ Discipline
Famaizana sy fitsipi-pitondrantena
Sanctions du 1er degré (prononcées par le Ministre).
Sazy ambaratonga voalohany.
Avertissement — Blâme. Ces sanctions légères ne nécessitent pas la consultation du Conseil de discipline.
Fampitandremana — Fanamelohana. Ireo sazy maivana ireo dia tsy mitaky ny hevitr'ny Filankevitry ny Fitsipika.
Sanctions du 2ème degré (après avis du Conseil de discipline)
Sazy ambaratonga faharoa (Aorian'ny hevitry ny Filan-kevitry ny Fitsipika)
Suspension de solde — Radiation du tableau d'avancement — Réduction d'ancienneté — Abaissement d'échelon — Rétrogradation — Mise à la retraite d'office — Révocation sans suppression des droits à pension — Révocation avec suppression des droits à pension et incapacité définitive d'exercer.
Fampiatoana ny karama vonjimaika — Fanalana ao amin'ny sokajin'olona tokony hisitraka fisondrotana — Fihenan'ny taona fahaelana — Fidinana ambaratonga — Retrogradation — Fametrahana hisotro ronono avy hatrany — Fandroahana tsy misy fanalana zo @ fisotroan-dronona (pension) — Fandroahana miaraka amin'ny fanalana zo @ fisotroan-dronono (pension).
Art. 52 — Loi 2003-011
Droit à la défense garanti
Zo amin'ny fiarovan-tena
Tout fonctionnaire visé par une procédure disciplinaire a le droit de consulter son dossier individuel et disciplinaire avant toute décision. Le droit de la défense doit être respecté. En cas de suspension injustifiée, le fonctionnaire non révoqué est rétabli dans tous ses droits avec rappel de solde.
Ny mpiasam-panjakana rehetra voakasiky ny fanasaziana dia manana zo hijery ny antontan-taratasy momba azy sy ny momba ny famaizana alohan'ny fanapahan-kevitra. Hajaina ny zo hiaro tena. Raha tsy voamarina ny fanasaziana/fampiatoana, dia miverina misitraka ny zo rehetra miaraka amin'ny rappel ilay mpiasam-panjakana.
Art. 53 & 55 — Loi 2003-011
👴 Retraite
👴 Fisotroan-dronono
Droit à pension garanti
Zo fisotroan-dronono voaantoka
Tout fonctionnaire a droit à une pension de retraite, ainsi qu'à la retraite proportionnelle. Les modalités sont fixées par décret pris en Conseil de Gouvernement après avis du Conseil Supérieur de la Fonction Publique.
Ny mpiasam-panjakana rehetra dia manana zo amin'ny fisotroan-dronono, anisan'izany ny pension araky ny taona niasana. Ny fomba fampiharana izany dia voafaritry ny didim-panjakana nalaina tao amin'ny Filankevitry ny Governemanta.
Art. 38 — Loi 2003-011
Limite d'âge
Fetran-taona
La limite d'âge de mise à la retraite est fixée à 60 ans. Une retraite anticipée est possible à 55 ans ou après 25 ans de services effectifs, selon les dispositions spécifiques au corps concerné.
Ny faran'ny taona amin'ny fisotroan-dronono dia voafaritra amin'ny faha-60 taona. Azo atao ny fisotroan-dronono alohan'ny fotoana amin'ny taona 55 na aorian'ny 25 taona niasana, arakaraka ny fepetra manokana amin'ny sokajy voakasika.
Art. 70 — Ord. 93-019 (principe maintenu)
Droits maintenus en détachement.
Zo voatazona amin'ny toeram-piasana hafa.
Le fonctionnaire en position de détachement continue à bénéficier de ses droits à la retraite dans son corps d'appartenance. En revanche, le fonctionnaire en position hors-cadre ou en disponibilité perd ses droits à la retraite pendant cette période.
Ny mpiasam-panjakana amin'ny toeram-piasana hafa (détachement) dia mbola mitazomana ny zony amin'ny fisotroan-dronono ao amin'ny sokajiny. Fa ny mpiasam-panjakana hors-cadre na en disponibilité dia very ny zon'ny fisotroan-dronono mandritra izany fotoana izany.
Art. 67-69 — Loi 2003-011
Pièces & démarches.
Antontan-taratasy & dingana arahina.
Déposer le dossier auprès du service du personnel de votre ministère au moins 6 mois avant la date prévue de départ. Pièces généralement requises : relevé de carrière complet, pièce d'identité, acte de naissance, certificat médical, photos d'identité, relevé de compte.
Apetrao ny antontan-taratasinao ao amin'ny sampan'ny mpiasam-panjakana amin'ny minisiteranao farafahakeliny 6 volana mialoha. Antontan-taratasy ilaina amin'ny ankapobeny : lisitr'asa feno, taratasy fanamarinana ny maha-izy anao (CIN), taratasy nahaterahana, taratasy avy amin'ny dokotera, sary tapaka, sy relevé de compte.

Mila fanampiana ? FI.SE.MA. miaraka aminareo.

Ny mpanampy sendika dia eo ho eo hanoro anao maimaimpoana.